Nisy ny fihaonana nentin'ny mpikambana nankalazana izany tetsy Ampasanimalo Antananarivo ny sabotsy teo notarihin'i Sophie Ratsiraka, filoham-boninahitry ny fikambanana. Nandritra io fety io no nilazany zanaka vavin’ny filoha teo aloha, ny Amiraly Didier Ratsiraka, sady Minisitry ny Asa-tanana sy haitao fa ny RPR dia mivoy ny "DEMOGASY" na na "Demokrasia amin'ny fomba sy foto-pisainana Malagasy" na "Démocratie à la Malgache". Betsaka no tsy mahalala ny fisian’izany RPR izany. Somary natoritory tao koa ny fikambanana. Asa na fifanojoan-javatra fa hatramin'ny naha mpikambana ao anaty governemanta an'i Sophie Ratsiraka no tsikaritra ho niseho indray ny RPR, eo koa ny taom-pifidianana 2023. Voalaza fa mitsangana manerana ny Faritra 23 eto Madagasikara ny RPR, izay ivondronan'ireo olona na fikambanana rehetra manaraka na resy lahatra amin'ny foto-kevitra napetraky ny Amiraly Didier Ratsiraka nefa tsy tafiditra na tsy te hiditra anaty antoko politika. Hitohy any amin'ny Faritra rehetra araka izany izao fankalazana izao. Nialoha izao dia nanolotra sarety misy voninkazo orchidées izay tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ho an'ny Parc Botanique et Zoologique Tsimbazaza ny fikambanana entiny hampisehoana ilay foto-kevitra "Humaniste et écologiste" novoizin'ny filoha Didier Ratsiraka.
Jean D.
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby