ao anatin’ilay antsoina hoe “pauvreté multi-dimensionnelle”, izany hoe, sady mahantra ilay olona no tsy manana fahafahana hivoaka ao anaty fahantrana I Madagasikara, hoy izy. Mahantra foana izy izany mandritry ny fotoana lava be ka misy paikady mila apetraka hahafahan’ireo olona ireo mampivoatra ny fiainany mba tsy hahantra intsony rahampitso. Izay no maha sarobidy ny fampiroboroboana ny sehatra ara-tsosialy. Tsy ilay heritreretintsika foana hoe hanome vary sy ny tahaka izany io fa misy sehatra maromaro. Eo ny fanabeazana. Eo ny fisitrahana fitsaboana sy fanatsarana toe-pahasalamana. Eo ny fahafahana monina anaty toeram-ponenana madio. Ny fahafaha-misitraka rano fisotro madio sy fanadiovana sy fidiovana. Ireny rehetra ireny no miantoka ny fahasalaman’ny mponina ka hahafahany miasa. Rehefa salama sy miasa ny mponina dia afa-miatrika ny sehatra rehetra mety hidirany sy fianarana ary hampitomboana foana ny fahalalana fa tsy toy ny teo aloha hoe sady tsy mahay ABD no mahantra sy noana. Ilaina ny fanampiana ara-tsosialy saingy mila fepetra mba tsy hahatonga azy hiankin-doha amina zavatra mora lany toy ny vary tsinjo na vatsy tsinjo fa amina paikady mazava. Mila atao mazava hoe eto ilay olona mila ampiana. Eto izy efa manana ny ampy tsara ara-pitaona na arak’olona na ara-pahalalana sy fahasalamana enti-miatrika sy mampitombo ny vola miditra aminy. Tsy tafavoaka koa anefa ny fampandrosoana raha tsy misy fotodrafitrasa. Tsy vitan’olona tsirairay na vondron’olona vitsivitsy ny fanamboarana fotodrafitrasam-panjakana satria ambony be, lafo be, goavana be ny fandaniana amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa. Ilain’ny toekarena nefa ny fotodrafitrasa. Na voahaja daholo aza ilay resaka sosialy teo kanefa tapaka ohatran’ny amin’izao fotsiny, ohatra, ny lalana dia efa sakana ho an’ny fampandrosoana izay. Na ny resaka herinaratra aza dia tokony ho fotodrafitrasa omen’ny fanjakana satria tsy vitana vondron’orinasa be dia be ny hanome herinaratra hampiodina toekarena eto. Ireny fotodrafitrasa ireny izany no manome vahana sy manosika kokoa ny sehatry ny fandraharahana. Manahy, noho izany, ny mpahaitoekarena tahaka ny tenako manokana raha hajanona ny fotodrafitrasa satria misy ampahany lehibe amin’ny fampandrosoana mety ho voasakana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny