tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Sosialy sy toekarena ambony ambany Izao ve no mbola hampiana 5 taona Rajoelina ?

Tazanim-potsiny toy ny tany nahalavoana sisa ny resaka fidangana sy fisondrotry ny vidim-piainana eto amintsika, fa tsy manana vahaolana maharitra sy mahomby ny Fitondrana Rajoelina.

16-mars-2023

Sample post image

Lalaovina amin’ny fizarazarana zavatra etsy sy eroa, mba hanakonana ny tsy fahombiazana sy ilazana fa tena mijery ny sosialim-bahoaka. Ireny no hanaovana serasera manaka-danitra, fa izay tena olana fototra sy vahaolana miantraika amin’ny besinimaro, dia lavitry ny kitay ny afo.
MITENY HO AZY NY TAREHIMARIKA
Raha ny notaterin’ny fampahalalam-baovao vahiny iray ny tapaky febroary teo, nahatratra 10,3% ny tahan’ny fiakaran’ny vidin-javatra teo anelanelan’ny novambra 2021-novambra 2022. 5,6% anefa io tamin’ny 2019 nandraisan-dRajoelina ny fahefana, niakatra ho 7%,8%,… Raha io 10,3% io ny novambra 2022, tafakatra 10,8% ny desambra 2022, ary nihazakazaka be efa 11,5% izany ny volana janoary 2023, izay nanaovan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) fanairana afak’omaly 14 martsa 2023. Voakasiky ny fisondrotana avokoa ny zava-drehetra amin’ny ankampobeny, indrindra fa ireo zavatra iankinan’ny fiainam-bahoaka andavanandro: vary, menaka, solika, fanafody,… fa tahaka izany ihany koa ireo tolotra sy asa samihafa, toy ny fitaterana, fandidiana eny amin’ny hopitaly, ekolazy,… Ohatra iray mivaingana iaraha-mahita io vidim-bary efa tafakatra 1100Ar io ny kapoaka, efa any amin’ny 3500Ar ny kilaon’ireo vary tsara kalitao vokarina eto toy ny makaolika, dista,...
TSY MISY VAHAOLANA MAHOMBY
Marina hoe: rariny raha mba miakatra ny vidin’ny varin’ny tantsaha, saingy tena ny tantsaha ve no misitraka izany? Tsy manam-bahaolana maharitra ny fitondrana, ny fanampiana ara-bola tahaka ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) no heverina fa mba hanalefahana an’io, saingy toa lavitry ny kitay ny afo,… Lasa kabary no betsaka! Tena tsy misy ve ny vahaolana sa ny finiavana no tsy misy? Mba homena sehatra ve ireo manam-pahaizana Malagasy amin’ny lafiny fikarohana ara-pambolena, ara-toekarena, ara-teknolojia,… Miharihary ny tsy fananan’ny fitondrana vahaolana: vidim-piainana midangana, fahefa-mividin’ny Malagasy mitotongana, vahoaka miha fadiranovana,… Ny sosialim-bahoaka tsy voafehy, ny toekarena mitotongana, ny fampandehanan-draharaha efa manahirana raha tarafina amin’io resaka làlam-pirenena tsy voakojakoja intsony io, ny resaka fampanantenana sy velirano izany moa dia poakaty ny ankamaroany,… Ny any Ukraine ve no miady dia ny làlana eto tsy voakojakoja intsony? Ny mahaika anefa dia toa hoe: ahoana ny ahafahana mitazona sy mifikitra amin’ny fahefana? Inona ny fika hahazoana indray ny fon’ny vahoaka? Ahoana no hanamontsanana ny mpifanandrina amin’ny fifidianana? Asa izao tokoa ve no mbola hampiana 5 taona manaraka?
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus