samy ao anatin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny sabotsy 23 septambra nandritry ny fitsidihana sy fihaonambe nataon'ny MMS (Mouvement pour la Majorité Silencieuse) sy ny firaisankinan'ny Tia Tanindrazana na FTT. Nihaona mivantana tamin'ireo Tantsaha mpamokatra sy ny vahoaka i Tahina Razafinjoelina kandida laharana voalohany. Nifanontany, nifampizara ny roa tonga satria zava-dehibe ny Malagasy mifanampy.
AFAKA MANAN-KARENA NY TANTSAHA
Tsy mihoatra ny 5taonina/ha, misy 3taonina,… ny vokatry ny tantsaha, hoy ny mponin’Andranovaky. Ny any chine manodidina ny 17 hatramin’ny 23 taonina, ka raha ny eto no miampy fahalahana afaka mamokatra avo 2 roa heny, hoy I Tahina Razafinjoelina. Teknika no hatsaraina ary afaka mamokatra in-droa na in-telo isan-taona ohatra. Tena manimba ny tany ny zezika simika, ka tokony hivadika tsikelikely amin'ny zezika natoraly, mandra-pivoakan'ny fikarohana izay hampiasana ireo manam-pahaizana. Mila ampianarina ny teknika famokarana. Any amin’ny tany manan-karena dia ny mpamokatra manan-karena noho ny mpividy, ka nilazan’I Tahina Razafinjoelina, fa tena azo atao izany amin’ny alalan’ny fampianarana ny Malagasy hahalala ny taniny sy ny harenany, fanapariahana ny volam-panjakana eny amin’ny rafitra ifotony dia ny kaominina sy ny mpamokatra. Tsy nofinofy mihitsy ny hoe tantsaha Malagasy mahavita mamatsy ny tsena anatiny no sady manondrana any ivelany.
HAPARITAKA NY VOLAM-PANJAKANA
Raha tsinjaraina ny tetibolam-panjakana 2023 io, 32 miliara Ar isan’andro ny fandaniana, tena misy vola ny Fanajakana, 14 tapitrisa Ar isan'andro ny vola ho an'ny distrikan'Ambohidratrimo raha tena voatsinjara. Vola lany amin'ny fanaboaran-dalana, 20 tapitrisa Ar isan'andro tokony ho an’ny kaominina. Alefa aty ifotony ny vola satria minisitra any birao ve hahita hoe: mila tohodrano aty? Ny ety ifotony no mahalala ny zavatra ilainy sy maika, mandroso ho azy ny tanàna, hoy I Tahina Razafinjoelina. Tsy hampanantena mihitsy isika hoe: ny filoham-pirenena no hanao ny asa, 1695 kaominina ka tsy hisy Prezida hahavita mazia, fa mila fitsinjarana vola sy fahefana, hoy I Tahina Razafinjoelina, nanamafy fa ny 70% hapariaka any ifotony, ary 30% mmijanona amin’ny foibe na ny volam-panjakana, mpiasam-panjakana, fiaram-panjakana,…
HOJERENA NY TONTOLON’NY BANKY
Noresahan’I Tahina Razafinjoelina, fa any Afrika Atsimo: tsy mahazo mihoatra 12% isan-taona ny zana-bola alain’ny Banky, ny antsika anefa mahatratra 40% isan-taona. Mila tsinjovina ny tantsaha ho afaka mamokatra sy mandry fahalemana dia izy no afaka mitsinjo, fa tsy tsinjovina amin’ny “vatsy tsinjo”. Mila fehezina ny tonton'ny banky mba hanomezana 1 hatramin’ny 1,5% isam-bolana farafaratsiny ny zana-bola, hamoraina ny ara-taratasy, hamoraina ny famokarana fa mamotika ny toekarena ny fanafarana lava. Ny fahavalon’ny toekarena voalohany dia ny fanafarana, ka ny tantsaha no hatao “pilote”, mila mifanampy fa tsy mifaninana, hoy izy.
FANABEAZANA, MALAGASY MAHAY NY TANINY
Tsy adino ny nanamafy ny hoe Malagasy mahay ny taniny sy ny harena eo amin'ny taniny, mahay mitrandraka, mamokatra mivarotra, mahazo tombony izay no tanjona ary ao anatin'ny vinan'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana izany. Tsy mahantra isika raha tena nampianarina antsika ny tanintsika, ny harenantsika,… hoy I Tahina Razafinjoelina. Manampy ny fanatanterahana ireo rehetra ireo moa ny tetikasa goavana Madagasikara nomerika izay Tahina Razafinjoelina sy ny FTT no voalohany niresaka sy hitondra izany eto Madagasikara. Mampihena ny elanelana eo amin'ny mpitondra sy ny entina io, hahafahana mametraka fomba fiasa mangarahara ary miady amin'ny kolikoly.
MAHAIZA MISAFIDY, AZA KIVY, ISIKA NO VOALOHANY
Aoka isika tsy ho variana amin'ny fizarazarana T-shirt sy vary ary menaka kely indray mandalo, fa ireny no mivadika ho fahantrana mandritra ny 5 taona manaraka, hoy i Tahina Razafinjoelina. Aoko, hoy izy, hijery lavitra hisafidy kandida tsy voafatotra satria tsy maintsy hamerin-bola ireo nanome ireny zavatra ireny hany ka voafatotra ilay kandida nandray rehefa lasa Filoham-pirenena. Ny tsy fandriampahalema tahaka ny halatr’omby, dia vidin’ny t-shirt, satria miondrana avy hatrany, ka ny henom’omby izao any Dubai 90000Ar/kg. Eo anatrehan’ny io ve tsy ho lasan’ny kandida mizara vola sy zavatra, dia “ny fahakiviana alohan'ny ezaka no faharesena alohan'ny fotoana”, hoy I Tahina Razafinjoelina. “Aza kivy, zarao amin'ny olona ny maha zava-dehibe ny fitsinjarana ara-bola, ny fampianarana. Isika no voalohany, ary tsy eto ihany fa manerana an'i Madagasikara satria efa rakotra Foiben-toeran’ny FTT manerana ny Nosy”, hoy izy eo anatrehan’ny filazana fa tsy fantatr’olona,… Naneho rahateo izy fa tena hanao izay hitetezana ireo distrika rehetra, ary tena hanao fampielezan-kevitra, fa tsy fampielezam-bola.
AOK'IZAY NY WERAWERA
Aoka izay ny resabe sy ny werawera, mila mandroso i Madagasikara. mila miasa isika ary mila manampahaizana, olona mandala ny fahamarinana, mahalala tsara ny Malagasy toa an'i Tahina Razafinjoelina, hoy i Eric Stoff Rakotonandrasana mpitarika ny vovonana MMS. Mila fampandrosoana ny vahoaka, hoy izy. Nilaza kosa ny solontenan’ireo ben’ny tanàna ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, fa mankasitraka amin’ny alalan’ireo kaominina rehetra, sahy mijoro noho ny fihavanana, mahatsiaro far aha tsy misy manampy sy manosika dia tsy hisy zavatra mandeha, ka manantena fa hijery ireo kaominina rehetra ny kandida Tahina Razafinjoelina rehefa tonga amin’ny toerany.
Toky R sy RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby