Vaovao politika nanamarika ny faran’ny herinandro iny ny maha kandida ho Filoham-pirenena an’I Tahina Razafinjoelina, izay notapahana nandritra ny Kongresy Nasionalin’ny Antoko Tia Tanindrazana tao Fianarantsoa, ka nivoahan’ny fehin-kevitra niainga tamin’ny fangatahan’ny mpizaika sy ny mpikatroka manodidina ny 3000 ny fanolorana ity tanora mpampianatra. Izy izay nanamafy fa fampianarana no fanalahidy voalohan’ny fampandrosoana. Mahalala tsara io tontolon’ny fampianarana io ny tenany, nianatra teto Madagasikara, ary na nanohy fianarana tany ivelany aza dia niverina teto. mampianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ary nanangana oniversite tsy miankina; Mampianatra ny zanaka Malagasy ary nampiseho fa tena mahay ary afaka misehatra eo am tsenan'asa iraisam-pirenena ny Malagasy. Tsy vitsy ireo tanora nandalo teo ambany saokan’i Tahina Razafinjoelina no efa misandrahaka manerana ny Nosy, ary tsy tambo isaina ireo efa lasa niasa any ivelany satria tena ifampitadiavana ny tanora Malagasy, raha tsy hilaza afatsy ny amin’ny sehatry ny informatika.
“ HO FANOHITRA HO AN’NY FAMOKARANA NY FANABEAZANA”
Nanamafy ny kandida ho Filoham-pirenena Tahina Razafinjoelina, fa tsy kitsapatsapa na zavatra manidintsidina ny vina hoentiny manavotra an’I Madagasikara. Vina efa am-polony taona niainga tamin’ny zavatra hitany tamin’ireo andraikitra noraisiny ary narafitra sy niaraha-namolavola ho vinam-piarahamonin’ny Antoko natsangany efa tany amin’ny 2010, efa manana fahamatorana. Tsy misy afatsy ireo no vahaolana afahantsika no làlana haingana indrindra mitondra amin’ny famahana ny olan’ny Malagasy. Efa fanatrareo ary mety misy hiteny amiko hoe: leo izahay, hoy I Tahina Razafinjoelina, saingy nohamafisiny sy novelabelariny hatrany ireo vina 3: Fanabeazana ny Malagasy hitodika amin’I Madagasikara. Andao hatambatra ny fanabeazana miaraka amin’ny zava-misy iainan’ny vahoaka toy ny mpamokatra sy ny tantsaha dia afaka miakatra avo telo heny na avo efatra heny amin’ny zava-misy ny vokatra vokarina eto Madagasikara, hoy I Tahina Razafinjoelina, izay nandray ho ohatra ny resaka omby izay 180kg eo ho eo ny antsika, kanefa misy ny tafakatra 900kg any amin’ny firenen-kafa. Vina faharoa ny fitsinjarana ny volam-panjakana, “tokony hitsinjara any amin’ny vahoaka mpamokatra ny volam-panjakana mba hahatsapan’izy ireo, fa misy miahy sy misy manampy ny mpamokatra. Vina fahatelo kosa dia ny “Madagasikara nomerika” izay vaovao tokoa satria io no ho enti-manatanteraka ny fanapariahambolam-panjakana satria tsy misy volam-panjakana afaka hiparitaka manerana ny Nosy raha tsy misy ny teknolojia izay efa ampiasaintsika ankehitriny, io ihany koa no ahafahantsika miady amin’ny kolikoly isan-tsokajiny”, hoy I Tahina Razafinjoelina. “Ankehitriny rehefa nifandinika tamin’ny antoko, rehefa nandinika nandritra izay 20 taona nampianarana teny amin’ny anjerimanontolo izay, rehefa nandinika fa anisan’ny manana traikefa maneran-tany momba ny haitao nomerika, rehefa nomena fahasoavana tamin’ny fikirakirana herinaratra avy amin’ny masoandro, fa indrindra indrindra, rehefa nahazo fotoana nahafahana nandray andraikitra teny amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Minisiteran’ny vola, dia mahatsiaro ho manana adidy manokana aho, ary naheno ny antson’ny firenena, dia manaiky aho ary vonona hiatrika ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 09 novambra”, hoy I Tahina Razafinjoelina izay naneho fa ny mpampianatra sy ny olona efa niasa teo amin’ny Minisiteran’ny vola no voalohany afaka manatsara ny fampianarana sy ny fitsinjarana ny volam-panjakana.
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo