Marary ny zanaky ny Malagasy tratran'ity rano maloto ity. Miantraika amin'ny fahasalaman'ny olona ny loto, mihatra amin'ny ain'ny zaza. Nanao asa izahay nanala ireny rano ireny nanomboka omaly,hoy izy ankehitriny tojo olana izahay satria nisy sakantsakana avy amin'ny mpitantana sasantsasany. Eto aho dia manao antso avo, aza afangaro politika ny asa fanampiana ataonay, marobe ny toerana azo iasana, indrindra amin'izao andro manorana izao. Nahoana no hidiana ny asanay nefa avy eo tsy atao akory, marobe ny toerana eto Antananarivo tototry ny rano, sahirana ny olona, hoy hatrany izy. Tsy fanomezana no ataonay ho anïreo olona ireo fa fanampiana ka avelao re izahay fa mafy ny mahazo ny olona, hoy i Tahina Razafinjoelina. Avelao hadio ny tananantsika ! Mba saino ihany fa samy malagasy, avelao ny olona hanadio ny tananany fa izahay vonona hanampy ireo olona ireo, hoy izy.
RTT
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny