mpaneho hevitra tamin’ny facebook sy olon-tsotra nanontany mivantana azy no mbola namerenan’i Tahina Razafinjoelina indray fa tsy fantatry ny Malagasy ny harena misy eto amin’ny taniny sy ny ranomasina manodidina azy. Andao amin’izay ampahafantarina ny Malagasy ny zava-misy hahafahany misondrotra sy miha manana, hoy izy. Nandrindra an’io fandaharana io I Clara izay fantatry ny rehetra amin’ny tontolon’ny onjam-peo, ary nitondra ny zavatra manitikitika kosa I Chef Rija izay “influenceur” ao amin’ny Facebook izay monina any Frantsa tambajotran-tserasera, niaraka tamin’ireo olom-pirenena tsotra dia I Balsam sy Rtoa Esther.
RAFI-PANABEAZANA MAHATAFITA
Ovaina ny rafi-panabeazana, io no fanalahidin’ny fahatafitana , io no fanalahidin’ny tsy fiankinan-doha, hoy i Tahina Razafinjoelina ary izay no lalana tsara indrindra handresena ny fahantrana. Tsy mety ny miankin-doha, ny atao hoe tafita dia tsy hoe manana vola be fa kosa mahavita tena, mahaleo tena fa tsy miankin-doha. Ialana ny resaka maimaimpoana fa manabe ny olona hiankin-doha izany. Tsy resabe izany fa zavatra efa natomboka, efa natao hoy izy ary an-jatony maro ny mpianatra nampianariny, na tamin’ny oniversitem-panjakana na tamin’ny oniversite tsy mainkina no misehatra sy miasa maneran-tany amin’izao fotoana.Efa natao ny fanabeazana mahatafita, porofo velona amin’izany ireo mpianatra ireo.Tsy mety ny mampanantena zavatratsy vita sy tsy voafehy akory. Matoa miresaka fanabeazana, dia efa 20 taona tamin’io sehatra io aho,hoy izy. Sady mampianatra aho no efa nanana andraikitra ambony teo amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, hoy Tahina Razafinjoelina izy nanamafy hatrany fa ny mpanabe no tsara toerana indrindra hanova sy hanatsara ny rafi-panabeazana.Nambarany ihany koa fa ny karaman’ny mpampianatra dia tokony aparitaka any amin’ny faritra, izay ilay fitsinjaram-pahefana sy fitsinjaram-bola.Fa tsy izay no misy satria mbola eo ilay fomba hoe olona no tompoina, olona iray no hangatahana sy hitalahoana hoe mba avoahy re ny karamanay, mba avoahay ny vatsim-pianaranay, vonjeo izahay.Tsy mety izany, tsy tokony ho izany no fomba fiasa.
AOKA TSY HO DISO HEVITRA
Ny fampanantenana omentsika ny vahoaka mihitsy hatramin’izay no tsy fanabeazana hoy izy nanohy ny fanazavany hoe : omena trano, omena sakafo ianareo, omena T shirt. Diso izany fomba fijery izany. Efa zavatra vokatry ny harena izany fa tsy zavara mamokatra harena.Raha hoe omena vary fotsiny, sakafo indray andro, tadidio fa misy takalony ao ambadik’io.Zavatra maharitra no andao atao. Tsy mila vola be izany, ny mpampiaatra no ampiakarina ny karamany dia efa hanova zavatra betsaka izany. Jerena ny rafi-panabeazana mifanaraka amin’ny zava-misy.Tsy mbola nisy mpitondra teto sahy nilaza hoe ny fanabeazana no fototra atao laharampahamehana hampandrosoana ny firenena.Anisan’ny nampety ny fiainako anefa ny fanabeazana, Fifampizarana no atao amin’io hoy i Tahina R. Mbola notohizany hoe rehefa propagandy ny mahazatra dia hoe misy vola be, miazarazara zavatra, tadidio anefa fa voafatotra ilay kandida niditra tamin’izany ary fahantrana no ho avy manaraka an’io.Tsy afaka manatanteraka ilay fandaharanasa sy ny asa fampandrosoana ilay kandida rehefa lasa filoha. Ohatra hoe hizara T shirt miisa 5 tapitrisa izy, 15 000 Ar ny iray, efa 75 miliara Ariary anie izany . Ka isika ve dia mihevitra hoe olona malala-tanana no nanome maimaimpoana izany vola be izany, tsia ! Tsy maintsy mitady valiny izy ka izay no mahavoafatotra ilay kandida lasa Filoha. Tsy zavatra lafo no ataontsika, tsy voafatotry n’iza n’iza isika, ny propagandy ho ataontsika eo tsy misy izany hoe hizara T Shirt 5 tapitrisa izany . Hizara fahalalana mandritra ny propagandy isika. Aleo mizara fahalalana hahafahana mamorona harena. Ny fanabeazana no iadiana amin’ny fanjanahan-tsaina, hoy i Tahina Razafinjoelina.
Nangonin’i RTT
Miitatra ny lonilony ara-pifidianana, tsy mijanona intsony amin’ireo heverina fa hery mpifanandrina fantatra
Notanterahina omaly alakamisy 13 febroary 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena ny fihaonana
Ny zava-miseho rehetra ankehitriny dia vokatry ny fifidianana, hoy ny antoko politika Teza.
Namana enina (6) mpiaro ny tanin’ny mponina voatazona atao andrimaso (garde a vue)