airtel

Politique

18-sept-2023

Tahina Razafinjoelina

« Hataontsika lohalaharana amin’ny fampandrosoana i Toliara »

Sample post image

Efa tena asa fa tsy kabary na fampanantenana ny an’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT) ;

18-sept-2023

nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny zoma 15 septambra lasa teo ny ivon-toeram-panofanana nomerika ao Toliara ary efa miaraka amin’ny fitaovana avy hatrany dia ireo efa misy fampiofanana sy toromarika. Misy ny mahakasina ny fambolena, fiompiana, informatika…Tsara ho marihina fa natao indrindra hampiroboroboana ny fanabeazana eto Madagasikara ny antonn’izao, zava-dehibe tokoa ny fanabeazana ary tsy azo atao ambanin-javatra ny mpianatra ao anatin'izany.
TOLIARA MANDROSO
Nifanakalo hevitra tamin'ireo mpianatra ao Toliara ny amin'ny fomba tokony hampivoarana ny tontolon'ny ranomasina amin'ny alalan'ny fanabeazana eto amin'ny Faritra Atsimo Andrefana ny kandidan’ny FTT Tahina Razafinjoelina. Tena nahaliana ny maro tokoa ny famelabelaran-kevitra sy ireo zavatra maro manodidina izany hoe ranomasina, jono, toekarena manga. Hita sy tsapa fa vonona hanohana ny vina atolotry ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana ireo tanora maro be nanatrika ity fihaonana ity.Ny manetsa be mbola ho avy fa fanombohana ihany iny. Fa tetsy ankilan’izay dia nanamafy tamin’ity diany tany Toliara ity ny kandida laharana 1 Tahina Razafinjoelina fa hatao lohalaharana ny fampandrosoana eto amin'ny Faritanin'ny Toliara, indrindra ny faritra Atsimo Andrefana satria ho atao tonga eny amin'ny kaominina sy ny faritra ny vola mba ho ampiasaina eny ifotony araka ny tena izy tokoa. Toliarana izay manana tany malalaka, manana ranomasina, manana masoandro kanefa sahirana. Paikadim-pitantanana no mila alamina sy arindra tsara dia miainga ny fampandrosoana, firenena tany efitra tahaka any amin-dry zareo arabo aza mandroso be ka inona moa no antony tsy ahavitana mampandroso an’i Toliara ?
EFA NIOMANA HATRY NY ELA
Matoa nametraka ny Vina fototra : Fanabeazana, Fitsinjaram-bolam-panjakana, Madagasikara Nomerina ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana dia zavatra efa noeritreretina sy nodinihina hatry ny ela io, efa 10 taona mahery.Nanana andraikitra ambony teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny ministeran’ny vola i Tahina Razafinjoelina, izany hoe zanak’omby tsy ampianarin-domano.Tsy resadresaka kabary fotsiny fa efa vita ny kajy amin’ny fampiharana ny fitsinjaram-bolam-panjakana, miasa ben y teknolojia nomerika amin’ny fanatanterahana izany fa tsy misy zavatra hoe mandehandeha hoazy izany, tsy maintsy atao anaty mangaraharaha ny fampiasana ny volam-panjakana izay volam-bahoaka fa tsy hoe fananana manokan’ny mpitondra .Mazava ho azy tsy maintsy eo foana ny fanabeazana, io no fanallahidin’ny fandrosoana, na inona na inona zavatra atao dia tsy maintsy mila fahaizana amam-pahalalana izany ary fiofanana. Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap