amin’ny mpanao Facebook izay ahitana hatramin’ireo malaza ho masiaka amin’ny lafiny fanehoan-kevitra mihitsy anio ny kandida ho filoham-pirenena malagasy, Tahina Razafinjoelina. “Fandaharana tsotra hamaliana ny fanontaniana mahaliana anareo” moa no lohatenin’ny fandaharana hanatontosany mivantana na “en live” izany eo amin’ny tambazotran-tserasera Facebook anio 24 aogositra manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Azo arahana ao amin’ny onjapeo Top Radio 102.8 FM koa izany, raha ny fandaharam-potoana napetraka hatrany. Teny filamatra napetrany miaraka amin’ny vovonana politika Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT izay manolotra azy moa ny hoe “Tsotra - Mora - Mahomby” ary isan’ny antony namaritana ny anaran’ny fandaharana ho tsotra izany. Tsy voatery ho mpanao gazety araka ny mahazatra foana koa no mitarika ny fanentanana sy fametrahana fanontaniana fa nofidiana hiantsoroka izany ireo antsoina ankehitriny hoe mpampaneno lakolosy na “influenceur” anaty tambazotran-tserasera toa ireo andriambavilanitra mpitondra tsikitsiky sy mpilaza ny zava-misy marina miharo vazivazy eny amin’ny fiarahamonina sy firenena eny dia i Antso Bomartin sy Vonjy Razafintsifa izany. Afaka mametraka fanontaniana daholo koa anefa ireo olompirenena manaraka ity fandaharana tsotra ity ao amin’ny pejy Facebook Tahina Razafinjoelina, araka izay efa nambara tetsy am-boalohany teo hoe na inona na inona firehan-keviny sy fomba fijeriny. Aleo hevitra no voizina fa tsy ady, hoy moa ity kandida ity, raha tsiahivina ny ambetin-dresany. Aoka izay, hoy izy, ny adilahy politika fa tokana ny fahavalo mila resentsika dia ny fahantrana. Haneho koa araka izany ity kandida ity anio fa olon’ny serasera sy fifanakalozana ary misokatra amin’ny fihainoana ny hevitra misy rehetra na avy amin’iza io na avy amin’iza na dia manana ny vahaolana efa arosony ao anatin’ny vina efa voavolavola hatramin’ny taona 2010 aza. Santatra am-bavarano ihany moa izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao, fa mbola hoavy kosa ny manetsabe.
Nangonin’i J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby