airtel

Politique

11-mars-2026

TAHINA RAZAFINJOELINA

« Manara-dalàna vao tafita

Sample post image

fa tsy hoe rehefa tafita vao manara-dalàna »

11-mars-2026

Na ahazo 1 000 miliara dolara aza isika, rehefa tsy manara-dalàna dia hahantra .Na andeha hiakandrefana na andeha hiatsinanana ka tsy manara-dalàna dia hahantra, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Tia Tanindrazana Tahina Razafinjoelina omaly.
FANABEAZANA
Ny dia tsotra ihany, tsy lavitra be tsy atao sarotra hoy izy : andao beazina ny olom-pirenena ary hampiharina tsikelikely ny lalàna ho a’ ny rehetra fa tsy hoe vao misy tsy mety kely amin’ireo mpandika lalàna dia hilanja sora-baventy dia mihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny mpitondra fanjakana. Noraisiny ohatra, hita isan’andro eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny Fitohanan’ny Fifamoivoizana. Sempotra ny toekarena noho ny fandaniana solika sy fotoana, rehefa jerena farany tsotra be dia tsy mihatra ny lalàna ho an’ny fiara mpitatitra fa mijanona eny amin’izay tiana hijanonana izy ireo. Etsy ankilan’izay tsy manara-dalàna ireo sarety sy posy fa mandeha amin’izay lera tiany. Nahoana raha mba feranasy alamina ny fotoana ifamoivoizan’ny isan-tsokajiny mba tsy hampitarazoka be ny fitohanana, hoy ny fanontaniana napetrany.
FIAMPITANA ARABE
Na ny resaka fiampitana arabe ihany koa aza dia misy fanabeazana ny olom-pirenena mila atao satria tsy hoe miampita amin’izay toerana tiany hiampitana ny olona.Misy fandaminana tsara apetraka, misy toerana tokony atokana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy hiampitan’ny mpandeha an-tongotra.Tsy maitsy miaraka amin’ny fanabeazana sy fampahafantarana kosa anefa izany.
FAHADIOVAN’NY TSENA
Raha raisina ihany miainga avy amin’io fanehoan-kevitr’i Tahina Razafinjoelina io dia mby tonga ao an-tsaina ny loto tazana eny an-tsena sy eny amoron-dalana isan’andro maraina atoandro hariva alina. Tsy ho vitan’ny mpiasan’ny kaominina irery ny fanadiovana ary tokony ahatsapa tena ireo mpivarotra hoe mila manana fitahirizam-pako ny mpivarotra tsirairay ka ireny avy eo no ariana eny amin’ny dabam-pako iombonana. Misy lalàna sy fitsipika mahakasika ny fahadiovan’ny tanàna sy ny andraikitry ny olom-pirenena. Mila ampahafatarina amin’ny fomba rehetra io mba ahatsapan’ny tsirairay ny adidy aman’andraikitra miandry azy isan’andro amin’ny maha olom-pirenena vanona azy.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap