Tahina Razafinjoelina ny fankasitrahana ny vahoaka noho ny fahasahiana sy fijoroana hatrany ho an’ny firenena na dia teo aza ny herisetra tamin’ny farany. « Eto aho dia mitodika manokana ho an’ny tanora, isika tanora no hanova ity firenena ity ! Aza manaiky hovidivian’ny olona fa isika fa isika no hanova an’ity firenena ity. Aza mba manaiky hovidividiana fa antsika ny firenena » hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina. Naneho fa nahafinaritra ny fotoana ho an’ny omaly, na nisy aza ny fisalasalana sy ny fahatahorana sao hisy indray ny lakrimozenina dia tsy sahy intsony ny ankilany. Nanentana ny rehetra ny tenany, fa misy fomba hafa hanehoana ny tsy fifaliana amin’ity fifidianana tsy manjay. Ny tsy fandehanantsika mifidy mba ahitantsika fa maherin’ny 70% no tsy tonga mifidy, ary ny ety Itaosy aza mety maherin’ny 90% », hoy hatrany ny kandida Tahina Razafinjoelina. Ny sary mitranga ao anatin’izay dia miharihary hatrany ny fifidianana mandringa sy tsy eken’ny rehetra noho ny antony iaraha-mahalala. Midika fa tsy Filoham-pirenena voafidim-bahoaka no lany eo, fa filoha mpanao amboletra sy mpibodo fahefana, manao takalon’aina politika ny vahoaka sy ny Firenena Malagasy.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby