airtel

Politique

25-nov-2024

Tahina Razafinjoelina

«Mila fahaiza-mitantana Antananarivo, tena niomana izahay ! »

Sample post image

Nanamarika ny faran’ny herinandro teo ny adihevitra nifanaovan’ireo kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo.

25-nov-2024

Ny 5 tamin’ny 7 no tonga. Nifantoka kokoa tamin’ny famelabelarana ireo vina sy fomba fiasa hoentina mampandroso an’Antananarivo. Tao anatin’izany no nilazan’ny kandida laharana faha-2 Tahina Razafinjoelina, fa tena mila fahaiza-mitantana Antananarivo, indrindra ny ara-bola. Nanehoany sy nanaporofoany hatrany, fa efa niomana hatramin’ny ela ny Antoko Tia Tanindrazana sy ny tenany, ary manana ny fomba fiasa Tsotra sy Marina ary Mahomby hahafahana mitondra rivo-baovao ho an’Antananarivo. Rehefa mitantana dia tena mila mahitsy, efa niomana izahay ary tena « Pragmatique », Ary rehefa mitantana dia tsy maintsy mahalala ny « données techniques et financiers », hoy i Tahina Razafinjoelina. Ara-politika, nanamafy i Tahina Razafinjoelina ary niantso ireo kandida hiara-hientana, fa zon'ny kandida rehetra ny mahalala sy manana ny lisi-pifidianana, lalana irais am-pirenena izany. Izao izao ny « jugement supplétif » ka mety hitombo 120 000 na 150 000 ka ho resy isika raha mihanahana eto? Tena misy ny « mercenaire de vote! » Izany no efa niadiana tamin'ny hetsika fotsy.
LAINGA REHEFA PROGRAMA TSY VOAVOLAVOLA ARA-BOLA
ena miteny isika fa tsara ny programa kanefa tsy voavinavina ara-bola sy ara-potoana dia lainga. Ny ben'ny tanàna farany teo ohatra tena x y z ny fampanantenana kanefa tsy arakaraka izay ny zava-bita, olon'ny fitondrana aza izany. Tsy vitan'ny anjely avy any Israely, izay ialana tsiny amin'ilay Tale Jeneralin’ny Jirama, fa tsy mahay na inona na inona, tsy mahalala ny zava-misy. Rehefa mitantana dia zava-dehibe ny ara-bola. 7/55 miliara ny tahan'ny fidiran-ketra. 16% ny tahan'ny fampidiran-ketra. Raha ampidinina ny hetran-trano na IFBB ka mahita 50% an'io dia 27 miliara Ar ka ny 80% amin'io, any amin'ny 20 miliara Ar. Betsaka ny zavatra vitan'izany amin'ny kaominina,... Efa ela izahay no nanampy fa ny fanaovana politika dia sacrifice, tsy nitady toerana. Ny « Antananarivo nomerika » efa tamin’ny 2016 no nanolorana izany, tsy hoe: zava-baovao amin'ny Antoko ka tsy zavatra vao kitsapatsapa fa efa ampiharina satria sehatra efa hiasana, hoy i Tahina Razafinjoelina.
NY FIAINAM-BAHOAKA ALOHA FA TSY KIFETIFETY
Mila manaiky ny fitohizan-draharaham-panjakana. Efa mandeha ny tetikasa PRODUIR 3, efa mandeha ny fisokirana sy fanadiovana fa jona 2025 vao ka inona izany no atao mandra-pahatongan'izany? Misy anefa ny fokontany dibo-drano, ary raha nanao ny AMA teny Andohomadinika izahay dia nisy Zaza kely maty. Betsaka ny mpanakanto vonona fa tena hoe: aleo miasa fa tsy manao fety, dia porofoinay amin'ny asa. Fokontany 20 mila moto pompes, 2 tapitrisa Ar ny iray ka 80 tapitrisa Ar ve tsy ho voavidin'ny kaominina. 39 miliara ny vola isam-bolana ka 80 tapitrisa Ar ve tokony ho olana. Vahana amin'ny azo tsapain-tanana ny olana fa tsy afaka hiandry. Toky R 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap