ao amin’ny bileta tokana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho tanterahina ny 9 novambra ho avy izao. Lohalaharana ho azy ny fanabeazana izay fototra iaingana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, fanabeazana mitodika amin’ny Malagasy hanampy ny Malagasy hahay kokoa ny tantarany sy ny taniny ary ny harena be misy eto. Kandida Filoham-pirenena voalohany nilaza ny maha zava-dehibe ny fitsinjarana ny tetibolam-panjakana isam-paritra mba hampahomby kokoa ny asa fampandrosoana. Mandroso ny tetikasa goavana Madagasikara nomerika i Tahina Razafinjoelina sy ny FTT mba hampivoarana ny tontolon’ny asam-panjakana , hametrahana ny mangarahara ary hiadiana amin’ny kolikoly. Voalohany amin’ny tantaran’i Madagasikara izany. Malagasy 100% no manohana ara-bola an’i Tahina Razafinjoelina noho ny fiaraha-miombon’antoka efa am-polo taonany, mitovy ny fomba fijery ka nanapa-kevitra handray andraikitra ho an’ny firenena.
VINA EFA HATRAMIN’NY 2010
Ny taona 2010 no efa nisy ny antoko Tia Tanindrazana nipoiran’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT) ary efa tamin’izany no nanana ireo Vina fototra 3 (Fanabeazana, Fitsinjaram-bolam-panjakana, Madagasikara Nomerika). Ary na mialohan’io aza amin’ireo olona mifanakalo hevitra aminy sy ny mpianany teny amin’ny oniversite dia efa nizara ny fomba fijeriny i Tahina Razafinjoelina ny amin’ny eritreriny momba ny firenena. Mifanindran-dalana amin’izany rehetra izany, amin’ny maha mpitantana orinasa azy ihany koa dia vavolombelona niaina tsara io fomba fijeriny sy foto-pisainany io ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa aminy, na ny eto an-toerana izany na ny any ivelany.
MIAVAKA, VAHAOLANA HATRANY
Samy miaiky ny rehetra fa manana zavatra mampiavaka azy izy, olon’ny finoana olon’ny asa, olona sahy mijoro, ary mahay mitarika . Averimberiny isaky ny miresaka fa : tsy mety ny kivy, tsy maintsy misaina sy mikaroka vahaolana mba ahafahana miroso hatrany amin’izay zavatra na tetikasa atao. Ny olombelona no harena voalohany, mila mahafantatra tsara ny anjara asany ny tsirairay ary ampandraisina anjara amin’ny asa iombonana. Zava-dehibe amin’i Tahina Razafinjoelina ny fifampatokisana sy fitazonana ny teny nomena, izay tenenina dia tanterahina. Raha zavatra fantatra fa tsy ho vita aleo tsy miteny aloha fa mikaroka ny fomba hahavitana azy. Matetika izy no manontany ireo miresaka sy miady hevitra aminy hoe fa nahoana isika no matahotra kanefa manao ny marina ? Ny marina no miteraka fifampatokisana, ary ny fifampatokisana no antoky ny fiaraha-miasa matotra ahazoana vokatra tsara .
MANABE, MAMPITA TANORA MARO
Isan’ny hahafantaran’ny maro an’I Tahina Razafinjoelina ihany koa moa ny maha mpampianatra azy eny amin’ny anjerimanontolo, ary nanangana sekoly ihany koa izay misy ny eto, ary misy ny any ivelan’I Madagasikara, ary maro ireo tanora efa nampitainy, misandrahaka manerana ny Nosy sy eran-tany. Manamafy hatrany ny hoe: “fanabeazana mahatafita” izy, ary ny vinany voalohany rahateo dia ny fampianarana mitodika amin’I Madagasikara satria raha fantatry ny rehetra marina tokoa ity Nosy ity sy ny harena ao aminy, dia hisokatra ny masom-panahin’ny Malagasy fa ankoatra ny olombelona ao aminy izay harena voalohany, dia manana ny ampy ahafahantsika mandroso isika.
ASA MAMPISONGADINA NY MALAGASY
Anisan’ireo Malagasy manana orinasa mivelatra amin’ny sehatra maro i Tahina Razafinjoelina : trano printy, orinasa fanaovan-gazety (gazety an-tsoratra, onjam-peo), sehatry ny fanabeazana, orinasa mifantoka manokana amin’ny informatika, fambolena…Tantanan’ny Malagasy ary manome asa Malagasy eto. Singanina manokana ny tontolon’ny informatika izay tena ahafantaran’ny olona azy sy ireo mpianany ary mpiara-miasa aminy. Maro be ireo mpianiny fahiny no efa miasa any ivelany (Etazonia, Canada, Eoropa..) ary tena misongadina sy mahay ny zavatra ataony ireo. Efa im-betsaka no nandrombaka ny fandresena teo amin’ireo fifaninanana amin’ny tontolon’ny informatika ireo mpianany. Ny hazo no vanin-ko lakana, ny tany naniriany no tsara.
MPITARIKA MAHOMBY
Misy antony lehibe ny teny filamatra nosafidian’i Tahina Razafinjoelina ho an’ny Gazety Tia Tanindrazana (nivoaka voalohany ny 9 septambra 2009) manao hoe : « Sahy mijoro ho an’i Gasikara ». Efa tandindon’ny zavatra hitranga aty aoriana anefa io ary izany no manaporofo fa mpitarika mahira-tsaina izy. Manana fomba fijery miavaka, manana fomba fiasa Tsotra, Marina, Mahomby araka ilay filamatry ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana ankehitriny. Rehefa tena niroso amin’ny sehatry ny politika izy dia haingana ny fiparitahan’ilay Vina sy foto-pisainana entin’i Tahina Razafinjoelina sy ny FTT, mitombo isa isan’andro ireo resy lahatra, mpiara-dia vonona ny hampandany ny kandida laharana 1. Ny antony dia satria mahitsy sy marina ary tsotra ny fomba firesaka ao : inona ny zava-misy, inona ny olana, inona ny vahaolana ary ahoana ny paikady hiatrehana izany. Ny mpitarika tena mahay dia mahay mihaino, tsy manakivy olona, mandroso soso-kevitra hatrany, mampiseho hoe tahaka izao ny lalana. Mahafantatra tsara an’io toetrany io ireo rehetra mifanerasera sy miara-miasa amin’ny kandida Tahina Razafinjoelina, ary ireo rehetra ireo dia samy resy lahatra fa tsy tongatonga ho azy ny maha laharana Voalohany an’i Tahina Razafinjoelina ao amin’ny bileta tokana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy io fa fambara tsara ho amin’ny ho avy.
RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby