airtel

Politique

08-août-2023

Politique

Tahina RAZAFINJOELINA "Tsy nofy ny fampandrosoana rehefa miainga amin'ny Fanabeazana"

Sample post image

Manam-pikasana ho kandida filoha aho fa kosa tsy maintsy ny antoko no manapaka, hoy i Tahina Razafinjoelina nandritra ny fandaharana manokana nandeha tamin’ny haino aman-jery maro samihafa halina.

08-août-2023

Tsy mety ny mitazam-potsiny ny fahorian’ny Malagasy sy ny firenena ary tonga ny fotoana handraisana andraikitra, hoy izy ka hanolorana ny Vina ho an’i Madagasikara, fomba fijery vaovao, fomba fiasa tsotra , marina , mahomby .Tena aok’izay ny ady sy fifandrafesana fa andao haneho ny teny Firaisankina hampandrosoantsika ity tanindrazantsika ity, hoy i Tahina Razafinjoelina, ary misy fomba fiasa sy fomba fitantana mahomby kokoa mila apetraka eto.Vinan’ny antoko no resahina fa tsy vinan’ny olombelona, hoy izy ary tena zava-dehibe ny firaisankina
TSOTRA MARINA MAHOMBY
Mifantoka amin’ny Fanabeazana, Fitsinjaram-pahefana sy Fitsinjaram-bola ary Madagasikara Nomerika ny Vina ho entin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT) sy Tahina Razafinjoelina. Malagasy mahay sy mahalala tsara ny taniny sy ny harena ao aminy no tena izy fa tsy Malagasy mifaninana maka diplaoma fotsiny, hoy ny Namana Tahina, izay moa no ahafantaran’ny maro azy.Tena tsapa hoy izy fa osa ny fanabeazana eto, ary tsy fantatry ny zaza Malagasy akory ny tena momba azy sy ny taniny fa zavatra hafa no ampianarina azy. Taiza izao no mba nampianarina momba ny safira, boaderozy, solika misy eto ny zaza Malagasy ? Fantatry ny mpianatra Malagasy, izay mety ho lasa manampahefana na mpandraharaha any aoriana any ve izao fa hoe 500 miliara dolara isan-taona no vola miodina amin’ny tsenan’ny trondro eto ambonin’ny tany .I Madagasikara no manana fari-dranomasina lehibe indrindra aty Afrika kanefa dia tahaka ny mitazatazana fotsiny.Raha mahazo ny 1% n’io tsena io monja anefa isika, efa 5 miliara dolara isan-taona izany dia efa milamina ny tetibolam-panjakana fa tsy mila mitavandra sy mangataka etsy sy eroa aman’olona, hoy i Tahina Razafinjoelina, izay nanaitra ny sain’ny maro fa toa fampianarana itadiavam-boninahitra no atao eto fa tsy fampianarana hahazoana vokatra tsara hampivoatra ny fiainana.Malagasy mijoro sy miasa ary mahomby fa tsy miandry fitserana no tadiavintsika hoy izy.
« OMEO VOLA IASANY NY FARITRA »
Tetibolam-panjakana tena tonga any amin’ny faritra sy distrika ary kaominina fa tsy mivangongo ao amin’ireo birao eny amin'ny minisitera , no fomba fiasa tena mahomby raha vao miresaka hoe fitsinjaram-pahefana izany, araka ny famelabelaran-kevitr’i Tahina Razafinjoelina satria ny ben’ny tanana no tena mahalala bebe kokoa ny filana sy ny fahasahiranan’ny kaominina fa tsy minisitra anaty birao mihitsy. Noraisiny ho ohatra ny hoe 1200 miliara ariary no tetibolan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny 900 miliara ariary amin’io dia mijanona ao amin’ny minisitera, raha io 900 miliara ariary io anefa no alefa avy hatrany any amin’ny distrika ampiasain’ny hopitalim-panjakana sy ireo CSB dia manana tetibola 20,7 tapitrisa ariary isan’andro iasana izy ireo.Inoana fa hamaha olana maro be izany toy ny hoe tsy fahampiana fitaovana, tsy fisiana oxygène na tsy fisiana fanafody tsotra izao.Tena hanafaingana ny fomba fiasa ihany koa fa tsy hoe hiera isaky ny mihetsika any amin’ny minisitera foibe kanefa mety misy ilana fanapahan-kevitra faran’izay maika ny fitsaboana.
MADAGASIKARA NOMERIKA
Tsy azo ihodivirana ny fampiasana ny teknolojia amin’ny asam-panjakana ka izay no anton’ilay vina tetikasa goavana « Madagasikara Nomerika », araka ny fahitan’i Tahina Razafinjoelina azy, izy moa dia manampahaizana manokana momba ny informatika no sady mampianatra izany eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.Sady tsy lany fotoana no mora ny miady amin’ny kolikoly rehefa ampiasaina io, ary ny tena zava-dehibe dia mangarahara sy azo jerena amin’ny fotoana rehetra n’aiza n’aiza misy anao ny asa. Tsy mety tanteraka araka ny tokony ho izy ny fitsinjaram-pahefana eto satria tsy ampy teknolojia, tsy maintsy miditra amin’ny nomerika isika noho izany, hoy izy.
TSY ADILAHY POLITIKA FA POLITIKA MAMPANDROSO
Niteny mahitsy i Tahina Razafinjoelina fa miresaka amin’ireo zoky sy ray amandreny efa nitantana na nanana andraikitra teto amin’ny firenena. Fahadisoana lehibe ny tsy firaharahiana ray amandreny, hoy izy satria manana ny lanjany ireo ary mahay tantara. Raha miresaka fitsinjaram-pahefana, fitsinjaram-bola, fanabeazana ahoana moa no tsy hakana hevitra any amin’ireo ray amandreny efa nitana andraikitra mifanandrify amin’ireo sehatra ireo ? Eo anatrehan’ny filazana fa misy dinôzôro miara-dia aminy .Ny tanora mbola afaka mandeha mafy , fa mety solafaka sy tafintohina ary mivadika mihitsy aza . Ny ray amandreny kosa mandeha milamina mety ho tara fa tonga tsara.Ireo no atambatra ahafahana mametraka zavatra matotra sy maoritra tsara.Matoa miaraka sy manontany ireo ray amandreny dia mba hisorohana ilay « sortie de route » mahavoa ny tanora maika. Ny fitondrana amin’izao tena be tanora, dia ireny misy laza adina mivoaka mialohan’ny fotoana (fuite de sujet) sy karazana raharaha hafahafa. Tanora loatra ilay fomba fitantanana ka misy ny zavatra tsy voafehy tsara. Mila maka traikefa sy mifanakalo hevitra amin’ny ray aman-dreny foana, hoy i Tahina Razafinjoelina. Izay mampandroso ny firenena no tokony maha maika fa tsy valifaty politika hanakorontana fiarahamonina. Tena aok’izay ny adin’olon-droa sy hambom-po diso toerana mampihitsoka ny firenena anaty krizy lavareny hoy i Tahina Razafinjoelina .Nampatsiahy ny zavanisy nandritra ny valanaretina Covid 19 moa izy ; niteny ny filoha Ravalomanana hoe hidio ny lanitr’i Gasikara fa zavadoza io aretina io raha tonga eto…tsy nanaiky ny fanjakana satria ve hoe Ravalomanana no niteny dia niditra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato tamin’ny alalan’ny sidin’ny Air France ny covid 19. Firifiry avy eo ny Malagasy maty sy very asa, potika fihariana noho ilay aretina,
FIFANDRAISANA AMIN-DRAVALOMANANA SY NY TIM
Tena olona niara-niasa tokoa tamin’ny Filoha Ravalomanana aho nanomboka tany amin’ny taona 2000 hoy i Tahina Razafinjoelina, tena nanampy aho arak’izay vitako .Taty amin’ny 2006 no nantsoin’ny Minisitra hiasa teo anivon’ny Minisiteran’ny vola sady nanolontsaina azy, avy eo tany amin’ny fampianarana, ka tany no isan’ny nahitana sy nahatsapana ny olan’ny fanabeazana sy fampianarana eto.Mitovy ny fomba fijery, ny vina, tsy miady amin’ny Filoha Ravalomanana sy ny TIM aho, vao tsy ela akory aho no niresaka tamin’ny zanaky ny Filoha Ravalomanana izay anisan’ny namako ary nanatitra azy tany an-tranony, saingy aoka hazava tsara fa izaho kosa tsy manompo olona fa miasa sy manao izay hampiharana ny foto-kevitra sy ny tetikasa hampandroso, hoy izy. Tsy ny resaka hoe mpamadika na tsy mpamadika no zava-dehibe fa hoe ahoana no atao hanohizana ny zavatra tsara efa vita teto sy hanitsiana ireo tsy nety mba tena hahatanteraka anatin’ny asa ny fampandrosoana an’i Madagasikara fa tsy hoe atao resaka an-taratasy sy amin’ny kabary fotsiny hoy i Tahina Razafinjoelina.
MPANOHITRA
Mpanohitra aho nanomboka ny taona 2009, tsy ekeko ny fanonganam-panjakana ary izaho tsy mitarika olona hidina an-dalambe izany, hoy i Tahina Razafinjoelina.Ambarako mazava fa tsy mersenera politika izany aho, na hoe ho avy mba hanakorontana vato fotsiny, tsy olon-dRajoelina izany aho ,hoy izy. Nisy fotsiny ny fotoana niantso ahy ny prezidansa hoe ahoana no tokony atao momba ny resaka nomerikasy teknolojia, izay zavatra nianarako sy ampianariko nandritra ireny valan’aretina Covid19 ireny.Nanolotra soso-kevitra aho, saingy tsy noraisina moa ny hevitray. Efa nisy fotoana niantso ahy ihany koa ny fitondrana Rajaonarimampianina, raha mbola misy zavatra azoko atao ho an’ny firenena dia ataoko fa averiko indray mba hazava tsara : tsy manompo olona i Tahina Razafinjoelina ary tsy tambatambazina amina resaka toerana. Izaho tsy sosialista,hoy izy nanohy nyfanazavany ka hoe hitsetra olona dia hizara zavatra isaky ny mihetsika , andao hampianarina mba hahay sy hikaroka ny malagasy, andao isika hifanabe fa ny miasa sy mamokatra eto amin'ity nosy manan-karena ity ihany no vahaolana amin’ny krizy fa tsy ny fitserana sy ny hataka.
FIFIDIANANA FILOHA
Amiko, hoy i Tahina Razafinjoelina dia misy zavatra mbola tokony amboarina vao tena miroso amin’ny fifidianana, aoka ho mangaraharaha sy marina tsara ny fomba fiasa.Izahay ao amin’ny antoko Tia Tanindrazana dia tena efa ela no nitaky hoe ataovy peta-drindrina hita maso mazava tsara eny amin’ny fokontany ny lisi-pifidianana.Izany no tena mangaraharaha, samy mahita eo. Misy zavatra mila alamina aloha vao tokony miroso amin’ny fifidianana, na izany aza tsy maintsy miomana izay mieritreritra ho kandida. Aoka tsy ho adino fa efa ho 51%n’ ny mpifidy no tsy nifidy tamin’ny 2018 satria sady kivy no leo amin’ny fanaovana politika sy fitantanana ny fifidianana teo.Tsy azo jerem-potsiny sy avela hitohy izany fa misy andaikitra tsy maintsy raisina sy asa fanatsarana tsy maintsy atao, hoy izy.
AZA MATAHOTRA REHEFA MANAO NY MARINA
Ny fanomanana paikady sy fanomezana toromarika ireo mpikambana ao amin’ny antoko dia tsy midika velively hoe mangalatra « départ », ary tena tsy mety ny mangalatra. Tsy mety ny mora kivy sy lany andro amin’ny kajikajy fampitahana hoe : ranona sy ranona toa manam-bola be sy mitety faritra ary mizarazara zavatra etsy sy eroa, ka ahoana no hahavitantsika izany.Aza mora kivy izany, hoy i Tahina Razafinjoelina fa ianao ve manao ny marina dia matahotra ? Miresaka sy mifandresy lahatra dia miara-dia ary ny fanohanana tsy terena fa tokony amin-kitsi-po.Tadio fa : « miaraka vao mandresy fa tsy mandresy vao miaraka », zava-dehibe ny fifanohanana sy firaisankina.
AZA ASIANA SAKANTSAKANA
Tsy hoe tara izahay, hoy i Tahina Razafinjoelina fa tena manaja lalàna sy ny fandamianana.Rehefa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny fiantsoana ny mpifidy, dia tsy iadian-kevitra intsony fa tafiditra ao anatina vanim-potoan’ny fifidianana isika izany.Tsy maintsy apetraka amin’izay ny paikady, resahana ireo mpiray antoko sy mpiara-dia amin’ny tena, tsy maintsy apetraka ny tetiandro. Ny mahagaga anefa, hoy ihany izy dia na toerana mifefy, tsy miankina aza dia mbola ampifilafilaina ihany na tsy omen’ny fanjakana ilay fahazoan-dalana hivory.Ny fanjakana sy ireo olony anefa mitety faritra ary efa tena manao fampielezan-kevitra sy mizara zavatra. Etsy ankilan’izay nasarotina ny fahafahana mampiditra sy mampiasa elikoptera. Takiana indray amin’izao hoe omeo roa volana mialoha ny anaran’ireo mpanamory . Ka raha tsy afaka tampoka na marary izany ilay mpanamory nosoratana anarana dia ahoana ? Nahoana no atao tahaka izany ilay izy, sao dia mba tsy rariny ity mizana tsindrian’ila sy fitiavantenan’ny fanjakana ity hoy i Tahina Razafinjoelina.
PAIKADY HANAFOANANA NY DELESTAZY
Tsy maintsy manana vina sy paikady hamahana ny olana tena marary ny vahoaka sy ny firenena izany olona manam-pikasana ho kandida Filoha izany, ka efa manana vinan’asa azo tanterahina tsara fa tsy resaka maniditsidina i Tahina Razafinjoelina momba ny herinaratra sy hanafoanana miandalana ny delestazy . Namabarany fa tsy maintsy miditra faran’izay haingana amin’ny fampiasana ny herin’ny masoandro i Madagasikara. Nambarany fa 3000 hatramin’ny 6000 Ar ny 1 Watt amin’izany.1400 miliara ariary isan-taona nomena ny jirama., raha ny fanambaran’ny Filoham-pirenena farany teo. Raha atontona amin’ny fametrahana angovo azo havaozina amin’ny herin’ny masoandro fotsiny ohatra ny vola lany tamin’ny fanamboarana ny kianja Barea sy ny teleferika , izay 480 miliara ariary eo hoe dia efa mahavita 160 MW izany raha raisina amin’ilay hoe 3000 ariary ny 1 Watt. Andeha indray kajiana araka ny filana herinaratra any ambanivohitra, 700 watts isan’andro no ilain’ny tokantrano malagasy iray, izany hoe 2 100 000 ariary ( raha 3000 ariary ny 1 Watt). Indray mandeha apetraka io dia miasa mandava-taona satria i Madagasikara dia firenena tena manana masoandro. Azo jerena avy eo hoe mandoa io vola io mandritra ny 12 na 24 na 36 volana ilay tokantrano. Zavatra azo tanterahina avy hatrany izany amin’ny vola efa misy hanampian’ny fanjakana ny Jirama hividianana solika fa tsy hoe nofinofy hoy i Tahina Razafinjoelina.
VOLA AVY AVY AIZA ?
Malalaka amin’ny fanapahan-keviny sy ny asa ataony izay kandida tsy mandray vola maloto, hoy i Tahina Razafinjoelina.Rehefa nieritreritra ny hiroso amin’ity resaka ity izahay dia niresaka tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka Malagasy namana efa niara-niasa sy nifanohana hatramin’ny ela, hoy izy. « Ny orinasanay dia tsy izahay mivady irery no tompony fa manana mpiara miombon’antoka aminay izahay , ary manana orinasa any Maorisy sy Afrika atsimo » , hoy izy. Vola avy amin’ny orinasanay Malagasy sy ny mpiara-miasa aminay izay Malagasy no ho ampiasainay . Fampielezan-kevitra no atao fa tsy fampielezam-bola, hoy izy ka tsoriko sy teneniko mazava fa tsy hizara T shirt izany izahay . 15 000 Ar no manamboatra T shirt iray amin’izao fotoana ka raha manao T shirt 400 000 ohatra dia efa 6 miliara ariary izany. Zavatra mampitombo harena sy maharitra no tokony hifampizarana fa tsy zavatra mandalo indray andro tsy mitondra vokatra azo tsapain-tanana na handany harena sanatria. Mety misy ireo miahiahy hoe mpandraharaha izany raha mahazo fahefana eo dia hangoron-karena fotsiny, tsotra sy mahitsy no avaliko izany hoy i Tahina Razafinjoelina : "tsy ny hoe mpandraharaha no olana, fa olona tsy nobeazina tamina antoko politika no mitondra hany ka tsy misy foto-kevitra hijoroana mazava, ary tsy manana irony fifehezana na "discipline" politika irony. Raha rovitra ny patalohanao aza maika ny hanjaitra azy fa jereo aloha hoe inona no antony naha rovitra azy. ». Nambarany fa raha izy tenany manokana dia efa voataiza tamina tontolo politika satria ireo ray amandreny dia nampahafantatra azy ny antoko Monima sy ny MFM tany aloha fony fahakeliny.Niara-niasa tamin’ny TIM izy ary avy eo nanapa-kevitra ny hanangana ny antokony manokana dia ny Tia Tanindrazana izany. Efa nianatra, nandinika, namakafaka izay vao miroso tahaka izao hoy i Tahina Razafinjoelina satria tsy azo atao andrakandrana na hifaninanana sy hanaovana fanamby ny fiainam-pirenena,mila fiomanana sy fanomanana ary indrindra fa foto-kevitra sy vina ary fanatanterahana asa mazava.
NY MALAGASY NO HARENA VOALOHANY
Asa sy ezaka no vahaolana amin’izao krizy lava mahazo antsika sy mampahantra antsika izao ary tsy maintsy mifampatoky sy mifanampy isika Malagasy, hoy i Tahina Razafinjoelina. Mila tia sy manjifa ny antsika isika satria : « tiavina vao miha tsara fa tsy hoe andrasana ho tsara vao tiavina ». Tena tahaka ny mitaiza zanaka io, beazina tenenina, ahitsy izy mba ho lasa olom-banona. Mila manampy ny Malagasy amin’ny asa mety ataony ny fanjakana, mety hoe mila zezika, masomboly famatsiam-bola ny tetikasa, fianarana sy fiofanana mba hampitomboana ny famokarana. Nahoana ny afrikanina tatsimo no mahavita mamokatra vary 10 taonina amin’ny hekitara, ahoana no nataony ? Any Ambatondrazaka izay ambara fa sompitr’i Madagasikaraanefa dia 2,5 taonina monja isaky ny hekitara ny voka-bary.Teknika sy fomba fiasa io fa tsy hoe nidiran’andro na ratsy vintana hoy i Tahina Razafinjoelina, izay nilaza fa ny orinasany vao tsy ela akory izao dia efa niditra tamin’ny resaka fambolena sy fiaraha-miasa amina vondrona tantsaha. Tonga dia vahaolana sy asa fa tsy mandany andro miady hevitra,hoy izy.
MANATSARA FA TSY MANDRAVA
Aoka hazava ny resaka hoy i Tahina Razafinjoelina : rehefa tsy miasa dia tsy tafita izay, ary aza manantena ny hoe tatsinanana na tandrefana izany, isika Malagasy no tsy maintsy miray hina dia mikaroka ny hevitra, paikady arahin’asa hanarenana ny firenena. Vahaolana ialana amin’ny geja sy ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao ny fianarana, io no fitaovam-piadiana tsara indrindra, hoy izy. Manaraka izay aoka izay ity kolontsaina tia mandrava ny zava-drehetra nataon’ny teo aloha ity ka hoe vao misy fifanolanana dia andao ravaina dia averina « zero » ny zava-drehetra. Tsy mety izany hoy i Tahina Razafinjoelina, manatsara no atao fa tsy mandrava.Rehefa misy olana dia karohina ny vahaolana fa tsy hoe ravaina daholo ny rafitra na hoe tonga dia tapahana fiarahamiasa amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, ohatra.Na iza na iza safidianao hiara-miasa tsy maintsy mianatra foana ianao ary miezaka mifehy io zavatra ataonao io,hoy izy nanohy ny fanazavany. Ny namehezany ny famelabelaran-keviny nandritra ity fandaharana manokana naharitra adin’ny 2 latsaka kely ity moa dia ny resaka Finoana.Goavambe ny finoana an’Andriamanitra sy ny finoana amin’ny fahatafitana, ary raha vao manitsakitsaka finoana ianao dia mivadika ho ozona ho an’ny firenena izany. Tsy izaho Tahina Razafinjoelina mihitsy no hampiasa fiangonana amin’ny resaka politika na dia zanaky ny Fiangonana sy manana andraikitra eo anivon’ny Fiangonana aza aho. Tsy voatery hangalatra sy hametsifetsy na hanambaka isaky ny mihetsika fa afaka mahomby tsara ny marina, hoy izy,
Nangonin’i RTT sy Toky R

 

 

 


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap