airtel

Politique

21-déc-2021

Politique

Tale Jeneralin’ny SIRAMA “Anananay ny taratasy, iraka politika ry Ninie Doniah”

Sample post image

Mitohy ny adihevitra momba ny toe-draharaha fifanolananana ara-tany ao Nosy Be taorian’ny savorovoro ny faran’ny herinandro teo.

21-déc-2021

 Taorian’ireo manohitra ny fakana ny tany tarihin-dry Ninie Doniah, dia ny avy amin’ny Sirama indray no nanao valy bontana tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny Jeneraly Ramananarivo Mamy Émile. “Tafiditra tsara ao anatin’ny resaka fanadiovana sy fanamafisana ary ny fikajiana ny fananan’ny sirama ny zava-misy, ary ireo tany rehetra izay lazaina fa misy tompony dia anananay daholo ny taratasy. Nanao “inventaire” izahay dia taitra ny olona. Araka ny “certificat d’immatriculation” sy ny “situation juridique” dia tanin’ny SIRAMA. Nisy anefa ny nipetraka an-keriny, ka olona marobe no tafiditra, misy hatramina olona ambony, mpitondra Fanjakana”, hoy ny Tale Jeneralin’ny SIRAMA. “Ireny olona voakitikitika tombotsoa ireny, dia mitady làlana hibahanana an’izay fiarovan’ny SIRAMA ny fananany. Lasa niseho tampoka fa hoe: misy tompony, taritin-dRtoa Ninie Donie. Napetrany eraky ny tanin’ny sirama ny soratra hoe: tany tsy azo hidirana fa an’I Zafinifotsy. Mandeha ny fitoriana dia samy tokony hipetraka kanefa hidirany ny tany, zarazarainy amina olona. Isan’ny voatonona ho tompony ny Praiminisitra iray teo aloha, saingy nilaza io tompon’andraikitra voalohan’ny SIRAMA io fa efa nisy fifampiresahana in-droa taminy nilazana fa raha misy taratasy dia asehoy. Momba ny resaka fa efa namidin’ny SIRAMA ary efa nandraisana vola ny voalaza fa tompony, dia nilaza ny orinasa fa tsy nisy taratasy fifampivarotana, mbola tsy vita ny “plan” sy ny “delimitation”,… Lasa mivadika politika ilay izy, lasa hoe: enjehina ny mpitondra teo aloha, ary manitrikitrika ny andaniny fa ampiasain’ny mpanohitra ry Ninie Doniah sy ny ekipany. Nambara fa ny tombotsoan’ny rehetra, sekoly manara-penitra ho an’ny zana-bahoaka ampiadiana amin’ny tombotsoa manokana. Nanamaivana ny hetsika ny faran’ny herinandro teo moa ny Tale Jeneralin’ny SIRAMA ka naneho, fa olona zara raha 25 ampanantenaina hizarana ny tany ary 50 no hitany farany teo fa tsy vahoaka, fa rehefa any amin’ny tambajotra dia ohatran’ny hoe: goavana be. Notorian’ny SIRAMA ihany koa ny mpitarika. Tsy amidy fa averin’ny SIRAMA any amin’ny Fanjakana ny taniny, ary io no safidin’ny Minisiteran’ny fanabeazana hanaovana ny tetikasan’ny Filoha, hoy ny Tale Jeneralin’ny SIRAMA.
Toky R
Légende: Ny Tale Janeralin’ny SIRAMA sy Rtoa Ninie Doniah nifanazava mivantana ny faran’ny herinandro teo

 


 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap