airtel

Politique

25-mars-2026

TAMBABEN'NY MPITOLONA

Tsy nisy voaantso niatrika ny

Sample post image

fifanentanana izay ho Ministra

25-mars-2026

Tsy nisy nahazo antso niatrika ny fifanentanana izay ho Ministra ao anatin'ny governemanta Rajaonarison Mamitiana ireo mpikambana eo anivon'ny tambaben'ny mpitolona. Raha araka ny tarainan'izy ireo omaly anefa dia tena manohana feno izao Fitondrana mijoro izao izy ireo no sady maro amin'ireo mpikambana no manana traikefa sy fahaizana amam-pahalalana mifandraika amin'izany. Nambaran-dRandriamihantanirina Jean Hercel izay nisolo tena azy ireo omaly fa tokony hojeren'ny Filohan'ny fanavaozana ny fepetra mikasika ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo kandida, ny fifanentanana Ireto farany ary indrindra ny fijerena ireo nandray anjara mavitrika tamin'ny tolona natao teto amin'ny tany sy ny Firenena. Nomarihin'izy ireo moa fa tena mañana fahavononana ary vonona hiara-kiasa hampandroso ny Firenena miaraka amin'ny Kolonely Randrianirina Mickaël ny tambaben'ny mpitolona.
Pati
Légende : Vonona hanampy ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny traikefa hananany ireo tambaben'ny mpitolona !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap