airtel

Politique

09-juin-2022

Politique

Tambajoatra mpangala-tany “Ravao, fongory, gadrao,…”

Sample post image

Ankehitriny, 80% amin’ny raharaham-pitsarana dia ady tany avokoa. Ampahatelon’ny raharaha ihany no voatsara. Isaky ny manao fitsidiham-paritra, tsy misy toerana na iray aza tsy hisian’ny fitarainana momba ny fananan-tany,

09-juin-2022

betsaka ny Malagasy tsy mahay taratasy. Betsaka ny tambajotra, misy ny manao an-keriny tanin’ny vahoaka tsotra, hoy I Andry Rajoelina, izay naneho fa misy olom-boafidy, olom-boatendry, mpandraharaha, mpitsara,... ao anatin’ny tambajotra. Nahitsy ny tenany nanome baiko, fa ny fananan-tany, ny ady tany dia tsy ananana namana, tsy hanana havana, tsy atahorana olom-boafidy na iza na iza fa mila mandray fepetra ny eo anivon’ny fitsarana. « Izaho dia tsy hiaro mihitsy amin’ny tsy rariny, tsy hiaro amin’ny kolikoly. Miantso ny fitsarana handrava ny tambajotra. Misy olona izay efa manana “titre”, ka amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona hafa indray manana “titre” dia mivarotra tany amin’ny olona hafa, manana “certificat de situation juridique”. Misy miray tsikombakomba ihany koa izany any amin’ny fananan-tany, hoy ny Filoha. Gadrao, faizo daholo ireo izay olona manao titre tsy ara-drariny, baiko no omeko anareo ravao io tambajotra. Mila ravana ny tambajotra, tsy ekena intsony ny fitsarana mitanila, mila hatsangana haingana ny fitsarana misahana ny ady tany. Manao antso avo amin’ny Bianco, efa nanangana ny ARAI (Autorité de Recouvrement des Avoirs Illicites), ka izay manana tany betsaka azo tamin’ny tsy ara-drariny dia torohy, zarao amin’ny Malagasy ny tany nalaina tsy ara-drariny, hoy hatrany i Andry Rajoelina.

TARA 13 TAONA
Nambara fa anisan’ny fanalahidy ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny fitantanana ny fananan-tany, ny fanafainganana ny antontan’isa mikasika ny tany, ka izay no nanaovana fiaraha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny “digitalisation” mba tsy hisy intsony ny hoe: rovitra ny taratasy, very ny boky,… 119 ny isan’ny distrika, kanefa hatramin’ny fahaleovantena hatramin’izao dia 44 ihany no misy tribonaly. Izay no antony hametrahana izany any amin’ny faritra hafa, toy ny any Sambava, Sainte Marie,… Tsara ny mampahatsiahy, fa talohan’ny fanonganam-panjakana 2009 dia nisy ny tetikasa fanatsarana ny fananan-tany, fanomezana karatany faobe,… novatsian’ny MCI (Millenium Challenge Account) an-tapitrisany dolara maro. Tapaka io noho ny fanonganam-panjakana, antony iray tena nampirongatra ny ady tany. Izao vao miezaka mamerina sy manarina. Midika fa tara sy very 13 taona isika sady mafy ny manarina voka-dratsy, avy eo vao afaka miroso amina lafin-javatra hafa.
Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap