airtel

Politique

28-juil-2022

Politique

Tanora miandrandra ny hoavy “Tsy maintsy misy foana ny mpamingana anaty fitondrana”

Sample post image

Tontosa ny alahady teo tetsy amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny fihaonamben’ny Tanora miandrandra ny hoavy na TMH.

28-juil-2022

Sady nankalazaina tamin’io koa ny faha 6 taonan’ny fikambanana. Miezaka manome sehatra sy mamolavola tanora ara-tsaina, vatana, fanahy ny TMH, araka izany anarany izany, hoy ny filohany, Rafidimanana Désiré, indrindra eo amin’ny fiseharana amin’ny lafiny sosialim-bahoaka ahafahana manampy ny mpiara-belona. Tsy misy tsy mahafantatra koa anefa fa miaradia amin’izao fitondrana izao ny TMH ary isany nametraka ny dian-tanany nametraka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo amin’ny toerany. Maro ny sedra nolalovana saingy ny mahafaly dia misy manerana an’I Madagasikara ankehitriny ny TMH. Ilaina ny fifampiresahana ary amin’ny alalan’izany ihany no ahitana marimaritra iraisana ahafahana mitsinjo ny vahoaka. Niseho izany tamin’ny resaka fitantanana ny vidin-tsolika sy ny saran-dalana. Nisy ezaky ny fitondrana tao. Tsy ekena ny fanakorontanana satria karazana tahotra fifidianana izany ho anay. Handray 4 taona ankehitriny ny fitondrana Rajoelina. Tsy nisy mpitondra tonga lafatra teo fa ny asa vita no ifampitsarana. Teo ny krizy fa tsy azo odian-tsy hita ireo fotodrafitrasa natsangan’izao fitondrana izao. Raha tsy hiteny ny lalana Ambatondrazaka-Moramanga fotsiny isika, ohatra, izay efa kely sisa. EPP, CEG, Lisea, Oniversite, kianja manara-penitra entina hanandratana sy hanampiana ny tanora amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Ireo tohadrano samihafa sy ny tsy voatanisa rehetra. Ny filoham-pirenena ihany no mahafantatra izay ekipa manao baolina tsara eny ambonin’ny kianja, raha resaka hoe mpamingana azy ao anaty fitondrana ihany no lazaina. Manome tanana azy no anjaranay ety ivelany. Tsy maintsy misy foana izany mpamingana anaty fitondrana izany fa tsy hampalemy ny filoham-pirenena akory izany, hoy hatrany ny TMH.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap