Falson Jocelyn Rantenaina, nanati-boninkazo tetsy amin’ny tsangambato fahatsiarovana ireo lavo tamin’ny 7 febroary 2009 tetsy Ambohitsorohitra omaly. Mbola mpaka sary ny tenako tamin’izany fotoana izany ary very fakan-tsary, hoy izy, raha nahatadidy ianareo mpanao gazety. Very ny kiraro, ny zavatra teny an-koditra rehetra. Teraka tsy tonga volana ny zanako ary natao hoe Ramanandraibe Andry Rajoelinah Fitiavana no anarany. 13 taona ilay tolom-bahoaka niarahana tamin’ny filoha Andry Rajoelina. Iaraha-mahalala ankehitriny ny sosialim-bahoaka izay tokony hanaovana antsoavo amin’ny fitondram-panjakana mijoro satria sahirana ny vahoaka Malagasy. Mandray andraikitra ny filoham-pirenena ary amintsika miteny izao dia midina any atsimo atsinanana, any Farafangana, izy mijery manokana ny zava-misy. Mila mijery tsara ny filoha fa hiatrika fifidianana ny vahoaka Malagasy afaka 2 taona. Iza no minisitra maharaka ny hafainganam-pandehany? Jereo ny tena ekipa mavitrika sy tena miasa manampy ny filoha, manampy ny vahoaka. Raha toy io minisitry ny mponina io daholo ny minisitra rehetra teo ambany fitarihan’ny praiminisitra dia tena lasa paradisa I Madagasikara satria tena ny ainy iraimanontolo, ny tetibolany iraimanontolo no natokany ho an’io fa tsy vitan’ny minisitry ny mponina irery ny fampandrosoana ny vahoaka 26 tapitrisa, indrindra, ao anatin’ny distrika miisa 119. Tokony miara-misalahy ireo minisitra “coach” eraky ny faritra. Misy minisitra tena tsy miasa sy tsy hita. Andao hatsaraina izay tokony hatsaraina hiampitana any amin’ny repoblika faha 5, hoy hatrany ny Tanora miaro ny fitondrana.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny TMF, eo anivon’ireo mpiaradia aminy.
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby