hoy ny filohan’ity taninketsan’ny antoko TIM eny an-toerana ity, Lalaina Rabezanahary. Tontosa tamin’ny tapa-bolana izao, ohatra, ny didim-poitra faobe. Teo koa ny fijerena ny resaka fampianarana, ny resaka “Call center”, fampianarana kabary, fampianarana savony sy ny maro hafa. Ezaka ny fanalefahana ny fahasahiranan’ny vahoaka satria iarahantsika mahita ny ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Ankilabao ny sosialim-bahoaka. Nampalahelo ny tranga tamin’ny aina nafoy sy ratra marobe tamin’ny lalaon’ny nosy. Maika ny hanao werawera dia tsy tomombana ny fikarakarana. Manomboka koa izao ny fikaonan-doham-pirenena tarihin’ny FFKM saingy mampametra-panontaniana hoe maninona no efa ireo raiamandreny eto amin’ny firenena no manasa dia mbola tsy mihaino ihany ny fitondram-panjakana? Latsaka an-katerena nefa ny firenena. Hifarana ity ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena. Hifarana mialoha izany ny fe-potoana hahafaha-manatitra ny antotan-taratasy eny amin’ny HCC saingy tsy mbola hita hoe inona no ho ataon’ny filoham-pirenena? Ekena fa misy ny tsy tomombana amin’ny fikarakarana fifidianana saingy tsy midika izany fa tsy hiroso amin’ny fifidianana isika. Ny antoko politika Tiako i Madagasikara dia tsy mivoy ny fakana fahefana amin-kery fa manaraka ny lamina demokratika hatrany. Na eo aza ny resaka HCC kiantranoantrano, CENI kiantranoantrano, fianakaviana kiantranoantrano dia efa natao ihany ny fifampiresahana isan-tsokajiny, fifampiantsoana hijerena vahaolana. Diso isika raha tsy hametraka taratasy firotsahan-kofidiana fa mampahazo aina ny ankilany fotsiny. Mila tandrovana ny tsy hisian’ny korontana mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana, hoy hatrany ny filohan’ny tanora TIM Boriboritany faha 6.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby