hoy ny fanazavan’izy ireo tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona omaly. Ho raketina an-tsarimihetsika mitohy ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka ary vinaniana ho tafavoaka amin’ny faran’io taona hoavy io ny andiany voalohany amin’izany. Horonantsary voasokajy ao anatin’ny antsoina hoe “Biopic” izy io satria ankoatran’ny famohazana an-tsarimihetsika dia hahitana fijoroana vavolombelon’ireo mbola velon’aina niara-niriaria tamin’ity filoham-pirenena teo aloha efa nodimandry ity koa izany. Ho fintinina ao anatin’ny 90 minitra in-3 izany ka ny andiany voalohany hitantara ny vanim-potoanan’ny 1972 sy 1973. Ny faharoa, 1973-1991, ary ny fahatelo, 1991-2002. Araka izany dia hisy ny fifantenana ireo hilalao ny sarimihetsika na “casting” momba izany ato ho ato, hoy hatrany ny fanazavana. Antony nifidianana ny Amiraly Ratsiraka ny fikasana hampahafantatra ny tantara amin’ireo tanora satria ny zatovo teraka tamin’ny taona 2002 izao tsy nahita izany fitondrana Ratsiraka izany fa eo koa ny fametrahana lova ho an’ny taranaka eo amin’izay lafiny izay. Manodidina ny 100 isa ireo mpilalao ho fantenina ary maharitra herintaona eo hatrany ny fanodinana na “tournage” vinavinaina ho an’ireo horonantsary miisa 3, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpanatontosa ity sarimihetsika ity, Sylvanno Ratsimandresy.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby