airtel

Politique

19-sept-2023

Tany tan-dalàna sy fifidianana madio

Miha mahery vaika ny fitakiana, raikitra ny angaredona

Sample post image

Mbola ao anatin’ny adihevitra sy fifandroritana mikasika ny toe-draharaha politika sy fifidianana isika amin’izao fotoana izao.

19-sept-2023

Mihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ireo kandida maro an’isa izay mahatratra 11 na 12 amin’ny 13 sy ny kandida iray izay tohanan’ny fitondram-panjakana mivantana na ankolaka, raha tarafina amin’ny fihetsiky ny mpitondra. Na efa voafaritra aza datim-pifidianana amin’ny 09 novambra, mihamafy kosa ny tsindry ara-politika manohitra ny rafitra samihafa misahana ny fikirakirana sy fitsarana ny fifidianana, manohitra ny endrika fandikan-dalàna sy fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana,… Iny rava maina iny ny fampihaonana saika hataon’ny HCC niantsoana ireo kandida ny 15 septambra teo, izay voalaza fa nihemotra ny PNUD izay isan’ny mpiara-miombon’antoka sy mpanohana ara-bola an’izany. Iny ihany koa ny sary nipoitra tetsy amin’ny CENI omaly, izay tsy nisy kandida na iray aza tonga namaly ny fanasana, fa solontenan’ny kandida izay tsy nisy afatsy roa dia ny avy amin’I Andry Rajoelina sy Sendrison Raderanirina. Na manenjana aza ny governemanta izay namory ny OMC Nat (Organe Mixte de Conception Nationale) ka nanasokajy fa asa fanakorontanana ny ataon’ireo kandida, nanamafy fa tsy maintsy hajaina ny tetiandrom-pifidianana, nihetsika tampoka ny tafika, nisy fisamborana mpaneho hevitra, nohavaozin’ny Prefektiora omaly ny “requisition” mba hanetsehana ireo mpitandro filaminana maro be,… dia tsy mijanona amin’ny antoko mpanohitra na kandida tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra fa miitatra amin’ny herivelona samihafa ny fitsikerana ny heverina fa fandikan-dalàna eto amin’ny Firenena. Sesilany ny fanambarana nanamafy fa tsy ara-dalàna ny fakan’ny governemanta ny fahefana, ary nisy mihitsy aza ireo naneho fa fanonganam-panjakan’ny andrim-panjakana na “Coup d’Etat Institutionnel”. Efa nandeha ny an’ireo kandida izay niainga tany amin’ny fitoriana mikasika ny tsy tokony handraisana ny firotsahan-kofidian’I Andry Rajoelina, fanafoanana ny taratasy manamarina ny zom-pirenena Malagasy azony,… saingy voatsipaka am-bavafo. Namoaka ireo kandida 10 fa tsy ara-dalàna, fanonganam-panjakana, tsikombakomba hoenti-manome tombony ny kandida iray ny fanapahan-kevitry ny HCC,… Tsy nijanona teo amin’ireo kandida ihany ny famotsipotsirana izany, fa sesilany ny an’ireo herivelona samihafa eto amin’ny tany sy Fanjakana: SECES Tana, Andrimaso FFKM, Diaspora Malagasy,… fa indrindra indrindra io iaraha-mahita io ny an’ny firaisamonim-pirenena izay tafakatra 41 no manamafy fa betsaka ny tsy fanarahan-dalàna. Raikitra ihany koa ny fandaharana antsoina hoe “Angaredona” hotanterahin’ireo solombavambahoaka avy amin’ny fanoherana izay ny fanoherana ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena. Haino aman-jery maro eto amin’ny Nosy no handefa azy io. Tsy mety izany teratany vahiny hitondra ny firenentsika, hoy ny depiote iray. Izany sary rehetra izany, dia maneho fa mihafamafy ny tsindry ara-politika mahazo ny mpitondra ankehitriny, ny tsy fisiana fidinana an-dalambe no tsy hitovizany amin’ny tranga tamin’ny 2018 fa ny votoatiny, dia mitovitovy satria isan’ny notoherina tamin’izany ny resaka kajy ara-pifidianana.
MANARAKA AKAIKY NY TOE-DRAHARAHA NY IRAISAM-PIRENENA
Na efa mandeha aza ireo dingana toy ny fanontana bileta tokana, miha mangotraka ihany koa ny fanoherana ny rafitra tahaka ny HCC sy ny governemanta. Efa tonga eny an-databatry ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ny toe-draharaha ka taorian’ny fivoriana mikatotran-trano niarahan’ireo kandida 11 ny faran’ny herinandro teo, dia ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra indray no nihaona tamin’ireo omaly. Midika fa manara-maso akaiky ny toe-draharaha eto ny iraisam-pirenena, izay miara-miombon’antoka amin’ny lafiny maro, ka tafiditra amin’izany hatramin’io fifidianana io. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny ho fizotry ny mety ho fanelanelanan’ny FFKM izay raha ny tsikaritra dia tsy te hiroso amin’io ny volomboasary. Asa hanao ahoana ny tohiny fa ny HCC aloha dia efa tafatsorapaka tamin’ny filazana fa tsy mametraka olana amin’ny mety hisiana fifampidihana sy fifanarahana politika raha izay no làlana handehanany!?
Toky R

 

 

 

 

 


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap