misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana omaly 22 septambra 2024. Tsy afaka mirotsaka hofidiana ho ben’ny tanàna eto Antananarivo izany izy, raha ny lojikan’ny didim-pitsarana. Manana 3 andro manomboka anio kosa ny tenany na ny Antoko TIM amin’ny mety ho fanolorana kandida hafa, na hanohana kandida hafa. Asa izay tena ho fihetsika sy fanapahan-kevitra politikan’Atoa Marc Ravalomanana sy ny TIM izay nanambara moa ny sabotsy teo, fa tsy hanaiky lembenana ary tsy maintsy haka ny fitantanana an’Antananarivo. Betsaka ny adihevitra eo anatrehan’io toe-javatra farany io. Amin’ny lafiny iray, dia azo lazaina ho kihon-dàlana hahafahan’i Marc Ravalomanana miverina maka fahefana indray ny fifidianana ben’ny tanàna, taorian’ny nanonganana azy ny taona 2009. Efa nandalo 2013, 2018, 2023,… anefa ny Antoko izay tarihiny, saingy tsy tafavoaka noho ny zava-nisy sy ny kajikajy ara-politika samihafa, ary io tratry ny kenda roroka politika io rehefa izy tenany mihitsy no niditra an-tsehatra ho kandida ben’ny tanàna. Ny zava-misy ara-politika, dia tsy ho afa-bela mihitsy izany aloha i Marc Ravalomanana, raha mbola i Andry Rajoelina ny eo amin’ny Fitondrana. Amin’ny lafiny iray, dia azo lazaina ho ady fiady ihany koa io ho an’i Marc Ravalomanana, mety aminy io henjehina lava io, ka na efa mandroso aza ny taona, na efa 15 taona tsy eo amin’ny fitondrana aza, dia mipetraka foana ny anarana, eny fa na ny tanjaka politika aza. Na izany aza, misy ny milaza fa mbola ilaina ny firotsahany sy fidirany lalina amin’ny politika, fa maro ihany koa no maneho sy mametra-panontaniana hoe : sao dia efa tokony hampita fanilo sy handefa mpandimby na « relève » amin'izay ? Izy rahateo efa avy Ben’ny tanàna, efa Filohan’ny Repoblika, ny taonany rahateo efa mandroso. Tsy izay ve no tena mahalaza ny "The Time is Now" ka na ireo mpiara-dia aminy aza efa mba miandrandra an'izany ? Ho an’ny eto Antananarivo ohatra, anarana maromaro no efa nandeha teo aloha izay nasongadin’ny mpanara-baovao ho tsara toerana ho kandida ben’ny tanànan’Antananarivo, raha tsy hilaza afatsy ny depiote Todisoa Andriamampandry, Depiote Hanitra Razafimanantsoa, depiote Rina Randriamasinoro izay efa natolotry ny TIM tamin’ny 2019,… Mety ho ny iray amin’izy ireo ve no ho kandida hisolo an’i Marc Ravalomanana eto Antananarivo sa ny zanany faralahy Maika Ravalomanana araka ny tsilian-tsofina mivoaka ? Tsy ho an’ny antoko mpanohitra ihany fa eo amin’ny fanaovana politika, tsy mba efa tokony hanao savaranonando na « primaire » toy ny fanao any amin’ny firenena mandroso koa ve amin’ny fifantenana kandida dia manaiky izay tsy tafavoaka fa tsy hoe manao tsy miankina na « indépendant », dia mba mifampitaiza amin'izany hialana amin'ny teny midina lava ity zay mahatonga ny mpikambana miala an-daharana tsikelikely ?
Toky R
hiha mafana ny hazakazaka ara-politika amin’izao herinandro mahery mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana izao,
Nailika any amin’ny olana eran-tany indray ny olan’ny jiro sy rano, ka ekena fa efa mandalo haintany
Nisy ny fomba efa nahazatra teto hatramin'izay dia ilay mametraka kely sy mizarazara zavatra kely rehefa
Rehefa avy namotika ny asan’ny vahoaka, namotika ny fitaovan’ny vahoaka ny jiro tapatapaka ka azo lazaina hoe