fa firenena inona re ity ry lanitra o ! Amin’izao fotoana nahalasanan’i NInie Donia izao dia mbola misy olona mandatsa ny maty ao amin’ny serasera fa toy ny vato ,aty tsy nifidy ihany hono… »
NODIANA FANINA
Efa fantatra mazava izao fa ny tsy namelana azy hivoaka ny fonja ka hitsabo tena efa ela no nitarika ny fahafatesan’ny mpanjaka vavin’ny salegy Ninie Donia. Misy ny porofo an-taratasy momba izany ; ny mpanakanto Wawa, izy tenany izao no efa nandohalika teo anatrehan’ny filoham-pirenena sy ny manampahefana isan-tsokajiny ary ny vahoaka tao Nosy be nangataka ny mba hamotsorana an’i Ninie Donia , fa toa nodiana fanina fotsiny.
MIADY AMAM-PATY
Maty izy ankehitriny dia mbola misy manao esoeson-teny ihany hoe : toa ny vato maty tsy nifidy ihany izany. Eo koa ny hoe taitra tamin’ny voka-pifidianana ka lasa narary. Misy serasera ofisialy aza moa nilaza fa hoe i Ninie Donia no nisafidy ny tsy handalo fandidiana ka dia nijanona no tsaboina tao Nosy be. Na ahoana na ahoana, tsy fitovian-kevitra ara-politika sy fomba fijery tsy mitovy momba ny fiainam-pirenena dia tena tonga any amin’izany ve ny fanadroadroana olona efa nodimandry.Tsy mba misy mari-panajana ny maty sy ny fianakaviany mihitsy amin’izao andro manjombona izao ve. Ary ny tena mampahonena dia tsy hoe olon-tsotra ihany no mahavita miady amam-paty fa na dia tompon’andraikitra sy manampahefana heverina fa manana ny maha izy azy aza. Tahaka ny hoe ilay olona maty indray no diso. Nanomboka ny taona 2009 nitrangan’ny fanonganam-panjakana teto no tena nahitana ny fiharatsian’ny fomba fiaina sy ny fomba fisainana tany anaty fiarahamonina teto Madagasikara. Lasa fomba fanao ny fandikan-dalana sy tsy fanajana ireo fitsipika. Miaramila tsotra no mamaly sy mamaingavinga jeneraly , tahaka ny hoe teny mba resadresahana fotsiny sisa ilay Fihavanana nambara fa soatoavina mmampiavaka ny Malagasy. Toa ny tombotsoa manokana no zava-dehibe, miha mahazo vahana ny fahalovana sy kolikoly ary lasa tsy mampihorin-koditra intsony izany hoe mandatsa-dra sy mamono olona. Anisan’ny antony lehibe maha sarotra ny fampandrosoana ny firenena anefa izany, ka tokony hampandinin-tena lalina ho an’ny tsirairay, indrindra fa ny mpitondra fanjakana ka handraisana fanapahan-kevitra ho fanitsiana ny dia, dieny mbola tsy tara.
RTT
Sary fanehoana
Miitatra ny lonilony ara-pifidianana, tsy mijanona intsony amin’ireo heverina fa hery mpifanandrina fantatra
Notanterahina omaly alakamisy 13 febroary 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena ny fihaonana
Ny zava-miseho rehetra ankehitriny dia vokatry ny fifidianana, hoy ny antoko politika Teza.
Namana enina (6) mpiaro ny tanin’ny mponina voatazona atao andrimaso (garde a vue)