airtel

Politique

09-juin-2021

Politique

Tatitra momba ny sosialim-bahoaka Tsy nisy ambara afatsy vatsy sy fanampiana ny governemanta

Sample post image

Nanomboka omaly ny fihaonana teo amin’ny Governamanta sy ny antenimieram-pirenena anaovan’ny fahefana mpanatanteraka ny tatitra amin’ny

09-juin-2021

 fahefana mpanao lalàna. Natao tamin’ny alalan’ny “visioconférénce” na maro tamin’ny depiote aza no nangataka mba hanaovana ny fihaonana mivantana. Ny Praiministra Ntsay Christian no nanomboka ny fanolorana ny tatitra. Nandritra izany no nanazavan’ny Praiministra ny andinindininy mikasika izany fanatanterahana izany. Teo ny momba ny asan’ny Governemanta niadiavana tamin’ny valanaretina Covid-19 izay nanomezan-danja manokana ny ara-pahasalamana sy ny ara-tsosialy, hoy izy. Teo ihany koa ny fitanisana ireo zava-bita sy ny ezaka amin’ny lafiny fitantanana, ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana, ny toe-karena sy ny fotodrafitr’asam-pamokarana ary ny sosialy. Miezaka mitanisa ireo zava-bita ny Fanjakana fa moa miabo be ny fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka indrindra ny sosialy sy ny toekarena? Ho an’ny sosialy manokana, dia isan’ny noresahina, fa napetraka ny vatsy tsinjo izay fizarana sakafo entina hanohanana ireo ankohonana niharan’ny fahasahiranana nateraky ny fepetra ara-pahasalamana ka fianakaviana 430 898, miisa 430 360 no nambara fa nahazo tosika Fameno, 366 170 amina distrika 9 nahazo ny fanampiana “Ankohonana miatrika” hizarana 50 000Ar isam-bolana mandritra ny enim-bolana, 160 000 nahazo ny fitsinjarana vola misy fepetra eny amin’ny tanàn-dehibe,… Raha hatambatra ireo, manodidina ny 1,5 tapitrisa izany ireo nambara fa nisitraka fanampiana raha toa ka manodidina ny 25 tapitrisa ny Malagasy ary ny 85% n’ireo no sahirana. Tena fizaran-javatra tsy mahavita taona ve no vahaolana sa famoronan’asa fa tsy fizarana ny olona ho zatra tolorana ary tsy ny rehetra no mahazo, mila tohanana ny fampiakarana ambony ny famokarana, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka,… izay tokony imatimantesan’ny Fanjakana manontolo.

 Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap