airtel

Politique

05-sept-2022

Politique

Tena efa mandrovi-tsihy ny Fanjakana Natao tsara ambina indray ny Magro

Sample post image

Nitohy ny sabotsy 03 septambra 2022 lasa teo ny fanaovana andrimaso ny Magro Behoririka. Niantrana teny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana izay nentina fiarabe sy fiara tsy mataho-dàlana.

05-sept-2022

Noho ilay fanambarana nataon’ny mpanohitra any Lafrantsa nilaza fa hanao hetsika goavana ny 03 septambra ve? Tsy vao izao no natao andrimaso io toerana io, fa zary fahazaran’ny Fanjakana no mandefa mpitandro filaminana eny, ankoatra ny sakantsakana samihafa atao amin’I Marc Ravalomanana. Tena izao ve no hanaramana ireo mpitandro ny filaminana? Ny vahoaka etsy andaniny aripaka ny jiolahy sy ny dahalo, tahaka ny toe-javatra miseho any Morondava amin’izao. Lasa fampiadiana ny mpitandro filaminana amin’ny vahoaka sy ny mpanao politika ny zava-miseho ankehitriny. Endrika iray maneho ihany koa io amin’ny politika, fa efa tena toran-kovitra ary mihorohoro tanteraka amin’ny toerany ny Fanjakana ankehitriny. Tsy mahatoky tena intsony ny fitondrana, tsy mahatoky valera, tsy mahatoky ny vokatry ny fiantraikan’ny asany amin’ny vahoaka, krizy mandavan-taona ny firenena,… Mandrovi-tsihy araka ny fomba fiteny ny fitondrana Rajoelina hany kanefa vao mainka manao zavatra mampitombo ny fankahalan’ny olona azy, toa zary ataon’ny olom-pirenena fihomehezana sisa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap