airtel

Politique

13-janv-2023

Politique

Tena mafana ity taona 2023 ity “Hanao fanambarana ny Firaisankina Sendikaly ato ho ato”

Sample post image

Tsy takona afenina ny zava-misy, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny firaisankina sendikaly eto Madagasikara na SSM, Fama Razafimahazo.

13-janv-2023

Raha nandray karama, hoy izy, ny mpiasam-panjakana ny faran’ny taona 2022 dia nandray karama tamin’ny datin’andro nihoatra. Navoaka mihitsy ny naoty fa tsy mandray ilay fankasitrahana na “prime”. Nisy mpiasam-panjakana namana tany amina andrim-panjakana hafa na minisitera hafa anefa sady nandray karama no nahazo “prime”. Ny anay ato amin’ny antenimierandoholona manokana, ny karama desambra 2022 no azo fa ny “prime” fandray isan-taona tsy azo. Ny sendika tsy nanaiky ary tsy manaiky sy tsy hanaiky izany “prime” tsy ho azo izany. Nisy ny fihaonako tamin’ny filohan’ny antenimierandoholona ny 30 desambra 2022 ary dia nifametrahana sy nifanarahana fa ho aloha aminay io trosa na “prime” anay io ato ho ato, izany hoe amin’ity voalohan’ny taona 2023 ity. Tena mafana tokoa ity taona 2023 ity ary manara-maso akaiky izany ny sendika tsirairay avy ary izay no nahatonga ny SSM nanaitaitra ireo sendika fototra mivondrona ao anatin’ny valaben’ny sendikan’ny firaisankina eto Madagasikara hifanentana satria hifarana ny 15 janoary izao ilay teny nifanomezana tamin’ny fahefana mahefa hamahany sy hanatanterahany ireo fitakiana ny 30 novambra 2022. Hanao fanambarana ny SSM ato ho ato ary efa manomana toerana izahay hahafahana manao fivoriambe miaraka amin’ny mpiasa malagasy rehetra hanaovana ny teny ifampierana sy ny hetsika iaraha-manatanteraka, hoy hatrany ny tenany.
Legende: Fama Razafimahazo
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap