airtel

Politique

12-janv-2023

Politique

Teti-panorona politika Mandeha ny fikotrehana tetezamita?

Sample post image

Samy mahalala ny rehetra fa taom-pifidianana ity 2023 ity raha ny lojika ara-politika sy ara-tetiandro, fa indrindra ny lalàna.

12-janv-2023

Toa hafahafa anefa ny zava-misy, ary tsikaritra ho tsy rototra amin’izany ny fitondrana, kanefa vao tafapetraka ny rafitra rehetra tamin’ny fifidianana teo aloha dia efa tokony ho fantatra mazava ny lafiny rehetra sy ny pitsopitsony momba ny fifidianana manaraka. Mikasika ny lisi-pifidianana, raha zohiana amin’ny zava-misy mety tsy ho tratra ilay isan’ny mpifidy 13 tapitrisa mahery nofaritan’ny CENI na efa nahemotra iray volana aza ny fe-potoana farany. 8 395 915 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana raha ny antontan’isa nivoaka tamin’ity herinandro ity, manome 61,77% aminn’ny tanjona 13 tapitrisa mahery. Misy ny firaisamonim-pirenena maneho fa na ilay 10 tapitrisa mahery tamin’ny 2018 aza tsy ho tratra raha ny lojikan’io, izay nanamafy ny ahiahy fa nisy lisitra 2 tapitrisa tsy mazava tamin’ny 2018. Omaly no voalaza fa nanao fivoriambe nandinihana ny volavolana tetibola sy ny tetiandro hatolotra ny governemata ny CENI. 45 miliara Ar ny voasoratra any amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI 2023) izay hikarakarana fifidianana kanefa tsy ampy, ary ny fe-potoana fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana aza iny nampitomboina iray volana iny, izay midika fa niakatra ny fandaniana. Raha miverina amin’ny 2018, voalaza fa nahatratra 25 tapitrisa dolara ny lany tamin’ny fifidianana, ka 57 miliara Ar ny anjara nentin’ny Fanjakana, raha toa ka ny Vondrona iraisam-pirenena kosa nameno ny tsy ampy. Ankehitriny, mbola tsy mazava ny fanohanan’ireo izay nametraka fepetra, toy ny Vondrona Eoropeanina izay nitaky ny fanatanterahana ireo fanintsiana niainga tamin’ny fifidianana 2018, eo ihany koa ny fanehoana ankolaka na mivantana fa mila mifampidinika aloha ny Malagasy mba hisian’ny fifidianana madio sy milamina,… Raha ny fahitana azy, tsy rototra firy amin’izany ny fitondrana izay heverina fa lojika satria ireo no manana tombony amin’ny tsy hisian’ny fifidianana, hiitaran’ny fahafahana mipetraka eo amin’ny toerana. Ny fifidianana Filoham-pirenena ihany no toa mody resahina, ka toa tetehana hahemotra any amin’ny jona 2024 ny fifidianana ben’ny tanàna kanefa ny volana oktobra 2023 izao no ho tapitra ny fifidianana. Toa taritarihina hiitatra ihany koa aza izany, toa zara aza manjavozavo sy tsy milamina ny zava-drehetra, hodiana tsy jerena ny adihevitra momba ny fanadiovana ny raharaham-pifidianana, ny rafitra,…
“NY EFA NANONGAM-PANJAKANA TSY HO DEMOKRATY IZANY”
Ny zava-misy amin’izao aloha, dia ambany be ny herijika hahalany indray ny Filoha am-perin’asa. Toa ho sarotra anefa ny hanekeny mora izany raha toa ka ho resy amin’ny fifidianana. “Tsy ho demokraty izany mihitsy ny olona efa nanongam-panjakana. Maneran-tany, matetika dia ny hanao izay fomba rehetra hijanonana amin’ny toerana faran’izay maharitra”, hoy ny mpandinika ara-politika sady mpampianatra mpikaroka iray. Taratr’izany ny 2009-2014 izay tahaka ny fe-potoam-piasana filoham-pirenena voafidy iray mihitsy. Toa mampitombina ny ahiahy ihany koa etsy andaniny ny fanambarana sesilany avy amin’ny mpanohitra izay miteny foana fa tsy ekena ny fikasana hanemotra fifidianana sy hametraka tetezamita. Rehefa tapitra ve ny fe-potoana hitondrana vao hoe: andao hanao tetezamita aloha ary hidinika sy hiresaka amin’izay? Amin’izany vao tena hanomana sy hikarakara fifidianana? Hiteraka fitoniana sy filaminana ve anefa raha ho izany tokoa sa vao mainka hanitatra ny krizin’ny tsy fahaiza-mitantana?
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap