teny amin’ny Antenimieram-pirnena ny volavolan-dalàna mahakasika ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023. Nitondrany famelabelarana ireo andininy voarakitra ao anatin’izany. Mahatratra 14 536 469 384 000 Ar ny vola hanodinana ny Fanjakana amin’ny alalan’ireo Minisitera sy andrim-panjakana. Voalaza fa tsy nisy fiakarana ny vola ho amin’ny fampiodinan-draharaha fa: ny resaka fampidirana mpiasam-panjakana, ny fikarakarana fifidianana izay 45 miliara Ar, ny fikarakarana ny lalaon’ny nosy, fampiakarana ny karaman’ny sefom-pokontany,… no nampiakatra azy. Nambara fa mifanaraka amin’ny PEM (Plan Emergence Madagascar) izay lazaina fa fandaharan’asa enti-mampandroso an’I Madagasikara. Mirona amin’ny fampiroboroboana ny sehatry tsy miankina sy fandresen-dahatra ny mpampiasa vola, ka lohalaharana ny resaka fizahantany sy ny fananganana indostria, fametrahana foto-drafitr’asa lehibe ho fampitomboana ny harin-karena faobe sy ny fotodrafitrasa sosialy.. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana làlam-be migodana, fanamboaran-dàlana samihafa, fitarihan-drano any Atsimo, fizarana karan-tany,…, hoy io Minisitra io. Efa maro amin’izany no hatramin’ny taona 2020 no notanisaina, saingy miverina hatrany isan-taona, fampanantenana lava, raha tsy hilaza afatsy ny lalam-be migodana, ny fitarihan-drano any Atsimo,… Tanisaina hanomboka amin’ny faran’ity taona ity sy amin’io taona ho avy io izao fampanantenana poakaty rehetra tsy vita tao anatin’ny 4 taona izao. Làlana 10 km nametrahana vato fototra tamin’ny aprily 2019 aza tsy vita 4 taona dia amin’ny fomba ahoana no hinoana fa ho vita ao anatin’izany ny 265km izay mbola poakaty ny resaka famatsiam-bola hatreto? Nentina tamin’ny fampanantenana sy ny fametrahana vato fitotra ny fitantanana firenena, nialokalofana sy nanafenana ny tsy fahombiazana ny valanaretina sy ady any ivelany,… Tsy arakaraka ny fampanatenana niainga tamin’ny propagandy fa ny hahatongavana eeo no ela kinanjo inona no teo? Rehefa tena jerena, ireo ivon’ny fampanantenana nilafihan’ny propagandy mihitsy no zary poakaty ny ankamaroany. Aiza ho aiza izao ilay tetikasa Tanamasoandro, aiza ilay trano 50 000, aiza herinaratra 400MW, aiza ny fampiakarana ny vidin’ny lavanila ho avo 3 heny,… Ny tato aoriana: mby aiza ny orinasa Gasycar, ny teleferika,… Tsy vao izao no nanoratra tao anaty tetibolam-panjakana fa hatao izao sy izao ka ahiana ho endrika ivelany hatrany no hipoapoaka fa ny fahatanterana ny omaly tsy miova satria toa sora-bola no betsaka, fa ny vaingany toa tsy tena misy.
Ara-toekarena, vinavinaina ho 4,9% ny fitomboan’ny harinkarena faobe ho an’ny taona 2023. Vinavinaina ho 4 786,16 miliara Ariary ny hetra anatiny ary 4 236,1 miliara Ariary kosa ho an’ny haban-tseranana.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby