airtel

Politique

20-oct-2023

Tetika handemena ny tolona

Ampihorohoroana ny kandida Ravalomanana

Sample post image

Miakatra ny daozin’ny herisetra politika. Nandefasana andian-tafika omaly teny amin’ny trano fonenan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

20-oct-2023

Voalaza fa iraka handeha haka ny fiara Mercedes fampiasany sy hisambotra ny mpamily izay novoizina fa nandona nahafaty vehivavy mpanara-dia ny kandida iray izay tafiditra tao anatin’ireo andian’olona nisakana sy nisotasota tetsy Andavamamba. Nandeha hatra tonga hatramin’ny feo fa kasaina hosamborina ity Filoha teo aloha ity. Izy izay nanao antso tamin’ny tambajotran-tserasera mba hiakaran’ny mpanohana teny hanao andrimasom-pokonolona. Efa tonga teny an-toerana hatramin’ireny fiara ahafaka hibatana fiara hafa ireny mba hakana io fananany io, izay tsiahivina fa efa nangalarin’ny olon’ny tetezamita tamin’ny raharaha 2002. Raha ny tranga ny talata teo, mety naratra mafy I Marc Ravalomanana raha tsy io fiara io tsy laitram-bala nitondra azy io satria niaraka tamin’ny kibay, seza, vato,… ireo nisakana. Raha ny horonan-tsary, heverina fa ireo “gros bras” nokaramaina hihetraketraka ihany no nandona sy nanitsaka ilay ramatoa. Moa tsy ny volomboasary no irahina hihetraketraka etsy sy eroa, hanendaka, higafy, hanimba fananan’olona,… dia avy milaza ho lasibatra Lalaovina amin’izay ny serasera avy eo hivoizana fankahalana sy fandotoana na koa fitsaram-bahoaka sy ady an-trano mihitsy Kotrehina izay hamelezana kandida mba handemena ny tolona hitakiana fifidianana madio sy Fanjakana tan-dalàna Ankilany, tonga teny Faravohitra ny vahoaka mpiara-dia amin’ny Firaisankinan’ny kandida, ireo solombavambahoaka, ary tena tsy niala na efa maty masoandro aza omaly teny Faravohitra, nifanatrika tamin’ireo andian-tafika.


Mahakasika ilay ramatoa nolazaina fa nodomin'ny fiara nitondra ahy, nilaza ny Ambasadaoron'ny Vondrona Eoropeanina fa tsy marina izany, ary nazava ny sary nazava ny zavatra niseho tany fa tsy marina izany ary zavatra hafa no nahafaty azy! Izay no noresahany hoe manaraka akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikara izahay ary fantatray daholo ny zava-misy! Jereo tsara koa fa dia tena mamorona lainga ry zareo ka aoka izay ity laingalainganareo ty re olona e! Izaho tao anatin'ny fiarako lazainareo fa nandona nahafaty azy, ny dokotera izay nitsabo azy dia nilaza mihintsy vao aninkao fa tsisy vokatry ny fandonana izany!, hoy i Marc Ravalomanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap