airtel

Politique

22-janv-2024

Tetikasa ankohonana miarina

Ampanatenaina tany 624-2000m2 ireo hisitraka

Sample post image

Tonga nijery ifotony ny fanatanterahana ny tetikasa « Ankohonana Miarina »

22-janv-2024

tany Fieferamanga sy Tsimahabeomby anatin’ny distrikan’Arivonimamo ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny sabotsy 20 janoary teo, karazana fisehoana fidinana ifotony ofisialy voalohany taorian’ny fijoroan’ny governemanta. Nambara fa anisan'ny andry telo iankinan'ny fe-potoam-piasana faharoan'ny Filohan'ny ny fitsinjovana bebe kokoa ny maha-olona sy ny sosialim-bahoaka, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ireo ankohonana marefo amin'ny alalan'ny tetikasa "Ankohonana Miarina". Ity tetikasa ity dia hanampy ireo ankohonana tena vonona hiarina amin'ny fiainana, hahaleo tena amin'ny alalan'ny fanomezana tany hambolena sy fiofanana samihafa, hoy ny tatitra. Nambara fa efa manomboka ny asa fanajariana ny tany sy fananganana ireo fotodrafitrasa fototra ilain'ireo mpisitraka ity tetikasa goavana ity, izay hatomboka ao Fieferamanga sy ao Tsimahabeomby II, distrikan'Arivonimamo. Trano fonenana, biby fiompy sy velaran-tany 624m² hatramin’ny 2000m² no omena isaky ny fianakaviana hisitraka ny tetikasa. Anisan'ny fiofanana omena azy ireo ny teknika Pfumvudza, izay efa nahitana fahombiazana tamina firenena afrikana maro, ka ankoatran'ny fomba fambolena manaja ny toe-tany sady hahazoam-bokatra tsara dia hisy ihany koa fiofanana momba ny fitantanam-bola omena ireo mpisitraka, hoy hatrany ny tatitra. Nanambara i Andry Rajoelina fa ny Fitondram-panjakana na ireo ozinina apetraka any an-toerana no anisan'ny hividy ireo vokatra mihoatra novokarin'ireo mpisitraka ny Ankohonana Miarina. Ho voakasik'ity tetikasa ity avokoa ny tanora, ny vehivavy, ny tsy an'asa sy ny zokiolona.
"Hanao ny ezaka rehetra isika hampandroso an'i Madagasikara ao anaty firaisan-kina sy ny firaisan-tsaina. Vahoaka mazoto sy mavitrika ny vahoaka malagasy fa mila entina amin'ny lalana tokony hizorany, araka ny vina izay efa napetrantsika ka hitondra ny vahoaka hiala amin'ny fahantrana ary hiavotra amin'ny fiainana isika." hoy I Andry Rajoelina. Andrasana izany ny vokatra ary ny irariana dia tsy hionona amin’ny santionan-javatra hanaovana serasera tahaka ny fahita hatrizay ary tsy ho ana ampahan’olona na vondron’olona ihany ny fisitrahana asa fampandrosoana sy fandrosoana fa tena hisy ny politikam-pirenena mazava sy vokatra azo tsapain-tànana eo amin’ny vahoaka sy ny firenena.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap