Tompon’antoka daholo, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho, ny malagasy tsirairay avy rehefa firenena no resaka. Matetika ny hevitra no tsy iraisana ka dia nampifandray hevitra, noho izany, ny antoko Natiora sy ny Antso fiarahamonina Kristianina na AFK. Efa hananan’ny AFK ny fitaovana entina hampandroso ny firenena ka rehefa nifandinika, noho izany, izahay dia nanapa-kevitra hikarakara hetsika hampiray hevitra ny malagasy rehetra ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Tanjona ny hoe any aoriana any na iza na iza hitondra ny firenena dia mba hisy fomba fijery iraisana. Nantsoinay hoe «Tazana» ity tetikasa ity ary ho tontosaina eny amin’ny trano malalaka Tazana eny Alasora izany ny 5 aprily 2024 ary tapany maraina ihany. «Fijery mitovy anaty fifampitokisana» no kendrena satria tsy mifampatoky intsony ny malagasy. Olona miisa 50 eo no nasaina ary hanana anjara fitenenana 2 minitra avy, izany hoe, 100 minitra eo no fitambarany. Ny fanontaniana ao anatin’izany dia ny hoe «Ahoana ny fijerinao ny hoavin’i Madagasikara? Hamirapiratra ve sa tsy misy antenaina?». Tsy fotoana hifanomezan-tsiny io fa tena hoe fakana ny hevitry ny malagasy ary na ny filahatry ny anaran’ireo olona nasaina aza dia natao mifanaraka amin’ny ABD. Amin’ny maha malagasy tomponandraikitra ny tsirairay no iantsoana ilay olona. Misy avy amin’ny fitondram-panjakana, avy amin’ny fanoherana, ireo 13 mirahalahy nirotsaka ho fidiana filoham-pirenena farany teo. Ho azavainay amin’io fotoana io ny antsoina hoe andry fototra miisa 9 na «9 piliers socles», ny atao hoe «Tenenkos», misy ny antsoina hoe rindram-baiko aingam-pivoy na «progiciel» hahafahana miady amin’ny fahantrana. Tetikasa mety ho an’izao tontolo izao io fa omentsika lahara-pahamehana ny hoe «malagasy aloha!». Omenay maimaimpoana ny mpitondra rehetra io nefa fikarohana vitan’ny malagasy. Hitondrana azy ny antsoina hoe «7 paradigmes de changement» na fomba fiheverana miisa 7 mitondra fanovana. Ny tekinisianina avy amin’ny AFK moa no hanazava izany anaty 30 minitra eo. Hisy boky ho amidy eny an-toerana, noho izany, efa nitehirizana ireo fanazavana rehetra. Tsy misy afa-tsy fijerena ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’io fotoana io fa tsy hoe hamely an’i Rakoto na Rabe. Mbola hisy dingana voalohany, faharoa, fahatelo io ary izay rehetra izay no haparitaka manerana an’i Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny