airtel

Politique

10-mars-2022

Politique

TGV-MAPAR Mahajanga Miady an-trano Ragôva sy depiote Nina…

Sample post image

Misy tsy fifankazahoana eo amin’izy roa tonta samy mpikambana mafana fo eo anivon’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana.

10-mars-2022

 Isan’ireo akaiky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina avokoa ireo tompon’andraiki-panjakana ambony roa ao amin’ny faritra Boeny ireo, dia ny governora Andriatomanga Mokhtar Salim sy ramatoa filoha lefitra ny antenimieram-pirenena faritany Mahajanga Rahantanirina Lalao dit Nina. Nandritran’ny fivahinihan-dRtoa solombavabahoaka tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray tao Mahajanga no nanazavany fa efa ho iray volana izay no miasa mafy loatra ny governora ka hatrany mifanena eny an-dalana aza tsy hitany izy, hoy ny fanazavan-dRtoa depiote. Ankoatra izay dia rehefa misy fihaonanay eny an-dalana dia misy miantso amin’ny finday hatrany io tompon’andraikitra ny faritra Boeny io raha nanamafy ny teniny i Rahantanirina Lalao depiote . Namela hafatra mihitsy ho any governora ramatoa solombavabahoaka fa « raiso ny antso izay ataoko anao fa mety misy vonjy aina no ialiko anao ». Mazava ary hita endrika avy aty ivelany fa misy tsy fifankazahoana eo amin’ireto olon’ny fitondrana. Ny vahoaka ao Mahajanga rahateo efa mahalala sy mahatsikaritra ny disadisa eo amin’izy roa tonta. Mandeha mantsy ny resaka ao an-toerana fa mety hisy fanoloana governoran’ny faritra Boeny ato ho ato. Etsy andaniny dia nanazava hatrany ny depioten’i Mahajanga I fa izy no nametraka io governora Mokhtar Andriatomanga eo amin’ny toerany raha nanazavana izany tamin’ny fahitalavitra tsy miankina. Raha ny fanontanian’ireo mpanara-baovao ao an-toerana dia mety avy amin’ity olana mampifanolana azy roa ireo ve no antony hanovana ny governora ny Boeny sa tsy mahavita ny asa izay nampandreketana azy ity farany? Raha hita amin’ny pejy facebook-n’ny governora dia toa maro hatrany ireo fidinana ifotony ataony sy ny fanamboarana foto-drafitrasa maro isan-karazany. Mety ity raharaha mampisy olana eo aminy sy filoha lefitra antenimeram-pirenena ity ve arak’izany no mety hanesorana azy eo aminy toerana maha gouvernora ny faritra Boeny. Efa ela no nisy ny olana teo amin’izy roa ireo nanomboka raharaha tsena mora ka hatramin’izao disadisa izay tsy azo afenina intsony.
Tolin
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap
30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap