nitaiza ireo mpikambana ao aminy momba ny vina politika sy ny fiatrehana ny fiainam-pirenena. Tsy tia manandrakandrana ny Tia Tanindrazana, fa tena nianatra, nandinika, nandalina. Efa feno kosa anefa ny fepetra ankehitriny ka tapa-kevitra ny handray andrakitra eo amin’ny firenena.Vinan’antoko efa matotra no entina fa tsy vinan’olon-tokana, efa vonona ireo mpiaradia hanatevina ny ekipan’i Tahina Razafinjoelina izay mpampianatra sady mpandraharaha . Eo ireo mpisehatra amin’ny politika, ny mpandraharaha, ny eo amin’ny tontolon’ny fampianarana, ireo artista sy sokajin’olona maro samihafa. Nitety faritra nanentana ireo mpikambana ary tsapa sahady fa maro ireo Malagasy namaly ny antso ary resy lahatra amin’ilay vina hitondra rivo-baovao eto amin’ny firenena na dia teo aza ny antsojay nataon’ireo manampahefana.
RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby