mangina amin’ny fanatanterahana izany paikady izany izy ireo amin’izao ka anisan’ireny ny fanentanana ny mpikambana rehetra mba hisoratra anarana eny anivon’ny Fokontany manoloana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Efa ao anatin’ny famaranana izany tanteraka isika ankehitriny ankehitriny hoy ny filohan’ny COM TIM Alasora Randriantsoa Jimmy ka tokony samy hihazakazaka ny tsirairay. Ho an’ireo tsy tratran’ny iraka avy amin’ny CENI ao an-tokantranony hoy izy amin’ny andavanandro fa mamonjy ireo asa aman-draharaha dia tokony hanokana fotoana kely hanatona Fokontany rehefa faran’ny herinandro hanamarinana ny anarany na tafiditra ao anaty lisi-pifidianana na tsia. Izay ihany mantsy hoy izy no fomba hahafahan’ny tsirairay maneho ny safidiny rehefa tonga ny fotoam-pifidianana izay ho filoham-pirenena mba hisian’ny mangaraharaha. Na izany aza dia tsy nanadino ireo mpikambana ao anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara Alasora ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny COM TIM Randriantsoa Jimmy amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao. Mpikambana miisa 3.000 no notoloran’izy ireo vary 2 kg isan’olona ny faran’ny herinandro teo, hahafahany miatrika amim-pifaliana ny fety raha mitontaly 7 taonina kosa izany vary izany. Tsiahivina moa fa fotoana iray nahafahan’ireo mpikambana rehetra nifanakalo hevitra ihany koa tamin’io fotoana io hahatongavana any amin’ny fandresena.
Legende : Nandritra ny hetsika teny Alasora
Pati
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny