araka ny fanambarana nahitana ny avy amin’ny RMDM omaly. Nasain’izy ireo manokana mandritra io ireo kandida Filoham-pirenena tamin’ny 2018, ireo mieritreritra hirotsaka hofidiana, mpanao politika sy antoko rehetra, sendika, firaisamonim-pirenena, mpandraharaha,… rehefa manana andraikitra amin’ny raharaham-pifidianana sy ny fanavotam-pirenena. Tamin’ny voalohany dia efa nanome toky, fa hatsangana ny Komitin’ny fanavotam-pirenena ka anio no hitondrana sy hanehoana an’izany rafitra izany, raha ny fanambarana tetsy Bel’Air Foiben’ny Antoko TIM sy ny RMDM omaly. “Famerenana ny tany tan-dalàna sy fanajana ny lalàmpanorenana ary ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, mba hananana fifidianana mangarahara, madio, milamina, ary eken’ny rehetra no tanjona. Tsy milatsaka avy any an-danitra izany, fa mila fifampiresahana sy fifamarafarana ary fifanakalozan-kevitra vao tonga amin’izany satria ny hevitry ny maro no mahataka-kavitra, ary ny fifampiresahana no mampilamina”, hoy izy ireo. Teboka maro no horesahana, toy ny lalàm-pifidianana, izay hita tsy mety dia hasiana resaka ny fanarenana azy, ka izay no iantsoana ireo Raiamandreny mieritreritra hitantana ny firenena, ka izay no hifanakalozana hevitra, hoy hatrany ny fanambarana sy antso nataon’ireo mpitarika ho an’ny omaly. Herinandro lasa izay, efa nisy ny fanambaran’ny RMDM fa manomana hetsika fidinana eny amin’ny Araben’ny fahaleovantena entina hanoherana ny mpanjanantany araka ny fanasokajiany ny fizakan’ny Filoha ankehitriny ny zom-pirenena Frantsay. Andrasana noho izany izay mety ho akon’ny fihaonana politika etsy amin’ny Espace Dera Tsiadana anio ity, fa ny tsikaritra aloha dia manomboka mafampana ny toe-draharaha, indrindra taorian’ilay resaka zom-pirenena, ny fivoahan’ny didim-panjakana momba ny fifidianana, ny fahatongavan’ny iraky ny SADC eto Madagasikara,…
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby