airtel

Politique

23-déc-2024

Toe-draharaha mafampana

Nampitenenina ny Emmo-Nat…

Sample post image

Mitandro hatramin’ny farany ny filaminana mialoha sy mandritra aorian’ny fifidianana ny hery fiarovana,

23-déc-2024

hoy ny fanambaran’ny Emmo-nat taorian’ilay raharaha voka-pifidianana nampisavoritaka tao amin’ny tranonkalan’ny CENI izay nambara fa nisy nisompatra. Ankoatra ny fanambarana an-tsoratra tao amin’ny pejin’ny zandarimarimariam-pirenena dia mbola narahina fanambarana am-bava. Misy minia manapariaka vaovao diso eo anivon’ny tambajotran-tserasera izay nolazaina fa mampisavorovoro sy manakorontana, ka ampahatsiavina fa fandikan-dalàna, indrindra fa ny resaka fifidianana, hoy ny fanambarana. Tsy maintsy mandray fepetra ny mpitrandro ny filaminana hiarovana ny filaminana, ary miantso ny rehetra ho mailo, hiandry am-pahatoniana ny vokatra ofisialy avoakan’ireo rafitra mahefa voatondron’ny lalàna, ary raha misy fitarainana dia ento any amin’ny fitsarana mahefa, hoy hatrany ny Emmo-nat. Nilaza fa hentitra ary tsy mandefitra amin’ireo mikasa hanohintohina ny filaminana, tsy maintsy tandremana toy ny anakandriamaso ny filaminana ho tombotsoan’ny besinimaro sy ny Firenena. Tena misy tombotsoam-pirenena voaaro ve eto raha ny zava-misy ara-politika sy ara-toekerana ary ara-tsosialy ? Sao mba tombotsoan’olom-bitsy mamotika Firenena no tena tsara aro raha jerena amin’ny fiainam-pirenena ka na ireo Raiamandreny amam-panahy aza efa tapitra nampaneno lakolosy fa ampahantraina ny vahoaka, potika ny toekerana,… Misy dikany sy lanjany ara-politika ny fanambarana tahaka itony, ary efa kazarana fampitandremana sahady eo anatrehan’ny mety ho fisiana hetsi-panoherana ny voka-pifidianana noho ny ahiahy samihafa, izay hisiana antso sy fanentanana samihafa amin’ny tsy fanekena ny ambara fa hosoka sy fanodinkodinana ny safidim-bahoaka. Hilamina sy hangina eo ve ny raharaha noho ny herin’ny basy sa hanao ahoana ny mety hisehoan’ny fanoherana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap