airtel

Politique

08-avril-2024

TOE-DRAHARAHA MANERAN-TANY

Misy loza manambana, hoy Pastera Mailhol

Sample post image

Misy loza manambana maneran-tany hoy Pastera Mailhol filoha mpanorina

08-avril-2024

ny Fiangonana Apokalispy tamin’ny Sabotsy teo. Ahiana ny hisian’ny ady lehibe fahatelo hoy izy vokatry ny ady misy eo amin’ny Rosia sy Ukraine raha toraka izany ihany koa ny ady ao Israely. Noho io antony io dia nahazo baiko avy tamin’i Jehovah izy ny faran’ny volana Martsa lasa teo ny mba hanaovana fivoriana masina sy fifadian-kanina hahafahana mifona ho an’ny firenena sy miaro ny vahoaka Malagasy. Tanteraka ny Sabotsy teo teny amin’ny Coliseum Antsonjombe io vavaka fifadian-kanina io izay tsiahivina fa nanomboka tamin’ny Zoma 05 Aprily lasa teo maty masoandro ka hatramin’ny Sabotsy 06 Martsa maty masoandro ho an’ny Fiangonana Apokalipsy eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsy adinon’ny Pastera Mailhol sy ireo mpino ao aminy nandritra izany ny nitondra am-bavaka manokana ho an’i Madagasikara mba tsy hisian’ny korontana ka handry fehizay ny firenena. Raha mihaino Jehovah hoy izy dia hilamina ny firenena fa raha tsy mihaino kosa izy dia efa mba voaaro amin’ny loza maro samihafa ny vahoaka Malagasy. Aleo rahateo misoroka hoy Pastera Mailhol toy izay mitsabo. Mpino Apokalipsy an’aliny moa no tonga teny amin’ny Coliseum Antsonjombe tamin’io afak’omaly Sabotsy io. Niara-niombom-bavaka nanao fifadian-kanina tahaka izany koa ireo mpino Apokalipsy rehetra manerana ny Nosy sy maneran-tany. Manentana ny rehetra izay afaka miara-miombom-bavaka sy manao fifadian-kanina tahaka izany ihany koa Pastera Mailhol na dia tsy mpino Apokalipsy aza ho tombontsoa ambonin’ny firenena.
Pati
Legende : Mpino Apokalipsy an'aliny no niatrika fifadiankanina teny am Coliseum!
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap