airtel

Politique

04-janv-2024

Toe-draharaha pirenena

«Hiteraka fihetsehana ny zava-misy, hanidy paosy ny mpamatsy vola »

Sample post image

Ho sarotra ny toe-draharaha politika eto Madagasikara vokatry ny

04-janv-2024

fifidianana natao amboletra teo iny raha ny fomba fijerinay ato anatin’ny Antoko MFM, hoy ny Filoha mpiara-mpitantana an’io Atoko io Atoa Randrianarina Jean Ignace dit Ramasy, raha nohadihadiana manokana momba ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena. Aminy, na inona na inona tenin’ny Filoham-pirenena hoe : hisokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra, dia ireo kandida 11, ireo izay tena matanjaka tao anatin’izy io dia tsy handray anjara ao anatin’ny fitondrana raha ny fijeriny. « Ny fifampiresahanay tamin’ireo masoivoho vahiny ihany koa dia mbola nametraka izy hoe : mifampiresaha aloha, ka rehefa dinihinay io fifampiresahana io, dia nanao bontolo ny fitondrana amin’izao, tsy mety mifampiresaka, ary ilay hoe : firesahana , dia fisokafana amin’izay heveriny fa hiditra ao anaty governemanta, kanefa tsy midika fa misokatra io, fa sarintsarina mpanohitra no mety ho hita ao, tsy hahavaha olana », hoy izy. Nambarany fa vao mainka aza hiteraka krizy satria ny olona teo nanohana azy hatramin’izay mety tsy ho tafiditra ka mety hiteraka olana ho an’ny mpomba azy, ka izay dia efa krizy lehibe. Nahitsy ihany koa io mpitarika eo anivon’ny MFM io nilaza araka ny fijeriny, fa tsy misy ny famatsiam-bola mety ho azo, fanampiana an’i Madagasikara vokatr’izay tsy fifampiresahana izay. « Hanidy ny paosiny aloha ireo mpamatsy vola antsika satria vitsy loatra ny taham-pandraisana anjara tao anatin’ny fifidianana amboletra izay eritreretiny fa nahazo 58% «1er tour » dia vita izy. Sarotra inoana izay raha ny fomba firesak’ireo mpiara-miombon’antoka, ary na ny mpandraharaha te hiasa eto amintsika aza tsy hametraka ny volany eto noho izao toe-draharaha misy izao. Na ny vola Ariary aza iaraha-mahita fa mitotongana efa manodidina ny 6000Ar ny 1Euro, ka misy ny sondrobidim-piainana na « inflation » goavana be, ary hiteraka fihetsehana sy fihetseham-bahoaka vokatry ny fahasahiranam-bahoaka », hoy Atoa Randrianarina Jean Ignace.

NY TANTARA TSY FANADINO
Nomarihiny, fa ny tantara tsy mba fanadino, ary taorian’ny fifidianana tahaka izao teto Madagasikara dia betsaka ny zavatra niseho na ny fanovana nisy : 1971, 1991, 2000, 2018, 2023. Na inona resahin’ny Filoha hoe : hasiaka be izy amin’ny fandaminana, dia tsy vitanao irery ny fitantanana ny Fanjakana, asana minisitra maromaro no notaniasainao teo dia ianao irery no mizaka azy, ka tsy hanana fanantenana izahay raha io Fanjakana antenaintsika amin’ity taona ity. Raha nanontaniana ny tenany hoe : mety hiverina ve ilay hoe : lany 98% ny Filoha Tsiranana ny faran’ny taona 1971 ary niongana ny may 1972, dia nilaza fa ny tantara tsy fanadino, mety mitandrina amin’izay ny fitondrana kanefa mety tsy ho voasakany. Momba ny zava-mitranga aty ivelan’ny fitondrana, dia nambarany fa efa misy ny fivoriana mandeha eny antsefatsefany eny handaminana ny firenena. Notsipihiny anefa fa tsy any amin’ny fanakorontanana araka ny fiheveran’ny mpitondra azy fa fitadiavana vahaolana, ka nanamafisany ny antso amin’ny fanelanelanana tarihin’ny PAN-FFKM hivoahana amin’ny krizy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap