Raha efa mikofokofoka manentana ny olona hanamarina ny anarany sy hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana sy manao fanentanana ara-pifidianana na “précampagne” ny mpanohitra, dia tsy mba handrenesana izany kosa ny mpitondra. Misy ny manomboka maneho, fa tsy miraharaha an’izany ny eo amin’ny fitondrana, fa efa manana ny kajiny heveriny fa hahafahany mitazona io toerany io. Na izany aza, hita taratra amin’ny hetsika ara-panjakana samihafa ny karazana propagandy ankolaka mialohan’ny fotoana ataon’ny Filoha, toy ireny tany Ambovombe sy ny faritra hafa ireny. Na izany aza, efa ny tapaky ny febroary aza no nilazan’ny HCC fa azo ekena ary tsy mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana ny hanatanterahana izany ny 09 novambra ho an’ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, saingy tsy mbola namoaka tetiandro manamafy na manitsy izany ny governemanta. “Mahazo matoky fa ny governemanta dia tsy afaka ny hieritreritra fa tsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana Filohan’ny Repoblika”, hoy ny Minisitry ny fanajariana ny tany Atoa Houlder Ramaholimasy ny 24 martsa nandritra ilay fampihaonana politika notarihin’ny CENI. Nilaza io minisitra io fa tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, ary tsy maintsy ao anatin’ny fanajana tanteraka ny voalazan’ny andininy faha-51 ao anatin’ny lalàmpanorenana, izay mamaritra fa tsy maintsy miala 90 andro mialoha ny Filoha am-perinasa. Inona no tsy hahasahian’ny governemanta mamoaka tetiandro mazava aza hatreto? Mbola maro ihany koa anefa ny adihevitra sy adivarotra politika, toy ny mbola fisian’ny antoko na vondron’antoko tsy mahatoky ny rafitra ara-pifidianana.
AHEMOTRA NY FIFIDIANANA ?
Raha ny ritsoka mandeha mantsy, dia toa tadiavina izay fomba hanemorana ny fifidianana amin’ny alalan’ny fanokafana ny CENI sy ny HCC ho amin’ny herivelona samihafa. Mety handeha ao anatin’io ny fanovana ny lalàm-pifidianana sy ny pitsopitsony. Lasa hisy fahaterahana tetezamita ao anatin’ny fanatanterahana izany rehetra izany, raha io no ho làlana hizorana satria mbola ho lava na halavaina ny adihevitra sy adivarotra politika ao anatin’izany. Tena misy miketrika hanao an’io, ary anisany ny any anaty Fanjakana mba hisian’ny fanalavam-potoana satria ho sarotsarotra ny hiatrehany ny safidim-bahoaka amin’izao, hoy ny loharanom-baovao. Ao ihany koa anefa ny mietrika fa hoentina amin’ny fanomezana fahefana bebe kokoa ny Praiminisitra rehefa tsy eo ny Filoha, ka ilay tapany farany amin’ny andininy faha-55 amin’ny lalàmpanorenana hoe: “… Afaka mamindra ny sasantsasany amin’ny fahefany amin’ny Praiminisitra ny Filohan’ny Repoblika” no hitondrana azy, saingy mety mbola ho endrika tetezamita ihany no mety hisehoany.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.