airtel

Politique

26-janv-2023

Politique

Toe-draharaha politika Andrasana izay holazain’ny “LERA” anio

Sample post image

Anio alakamisy 26 janoary 2023 manomboka amin’ny 10 ora maraina no hanao fihaonana tsy amin’ny Espace Mahatehotia Iavoloha ny “Hetsika LERA”, raha ny fampahafantarana sy fanasana hita niparitaka.

26-janv-2023

Karazana vovonana politika ahitana mpanao politika maro samihafa, misy olom-boafidy am-perin’asa sy tompon’andraikitra ara-panjakana samihafa teo aloha io, raha ny fahafantarana ireo mpikatroka sasany. Andrasana izay tena ho ambarany amin’io, fa raha ny re sy fantatra efa tao anatin’ny andro maro, dia hirona amin’ny fanoherana ny Fanjakana Rajoelina, ary mety hanatsikafona ireo ambara fa tsy fahombiazan’ny Fitondrana ankehitriny tao anatin’ny 4 taona nitondrany: politikam-panjakana, toekarena, sosialy, fitantanam-bola,… Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny raharaham-pirenena amin’ny ankampobeny, ka hiadiana amin’ny tsy rariny sy ny fangirifiriana mahazo ny vahoaka Malagasy sy ho fisorohana ny krizy rehetra izay mety hisy na mialoha, na mandritra, na aorian’ny fifidianana re fa mety ho ambara fa antom-pijoroan’ity vovonana ity. Andrasana ny ho akony anio sy ny ho tohiny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap