mety hasiany ny tongony. Nafana ny fanambarana politika mahery vaika tany amin'ny faran'ny taona 2022, ary vao mainka nirarakopana tamin'ny fiandohan'ny taona 2023. Nisy ny nanamafy fa mitaky kianja politika madio mialohan'ny fifidianana, nampiomana ny mpomba azy fa haka fahefana, tsy hanaiky halatra sy hosoka intsony, tonga hatrany amin'ny hoe: vonona hitarika vahoaka eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, tsy hanaiky lembenana intsony,... Nandeha ireny hafatra sy kabary politika nahery vaika ireny, dia nangingina indray aloha. Vao tsy ela indray, nisy andiany nipoitra tampoka, naneho fa hanao raha, nilaza fa tonga ny lera hijoroana hanavotana firenena, mitaky vaomieram-pifidianana misokatra amin'ny antoko politika,... Nipoitra tampoka ireo mpanao politika efa tsy hita firy hatry ny ela. Dia miandry ny tohiny ihany koa hoe: handeha hatraiza sy hanao inona marina? Tena hanao zavatra sa mitsapa ny halalin'ny rano fotsiny ihany? Andaniny ny eo amin'ny Fitondrana, toa indraindray hita taratra ny fikoropahana sy savorovorom-pitantana, mitombo ny krizy sy ny tsindry, miezaka mamono afo hatrany mandiso ireo endri-javatra ateraky ny tsy fahantram-bahoaka isan'ny vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Lasa bala ho an’ny mpanohitra ny tsy fahombiazana miseho amin’ny endriny maro. Hatreto, miezaka ny miziriziry tsy te hahalala izay tsikera sy tsindry samihafa any, ary mivoy hatrany fa miasa ny Fanjakana, mandroso ny Firenena,.... Karazan'ny mitsapa ny halalin'ny rano mody minia miziriziry ihany koa manoloana ny tsindry samihafa, toy ny fitakiana fikaonandoham-pirenena, fanavaozana ny lalàm-pifidianana,... Efa hitany taratra sy fantany ve hoe: hatraiza marina ny mety ho hataony sy ho vitan'ireo milaza fa manohitra azy ka mbola homeny ny hoe: henoy izany ry hazon-damosiko hatreto? Na izany aza, manao pi-maso sy miantehitra amin'ny manam-basy. Mbola baraingo tanteraka ny ho ampitson'ny raharaham-pirenena satria raha ny sary hita taratra dia toa mifandolondolo sy mifampitsapa ny halalin'ny rano aloha ireo ambara fa mpifanohitra, raha toa ka mbola mitandritandrina sao hijabaka mialohan’ny fotoana ihany koa ny hery hafa. Toa mifampiandry kendritohina, kanefa ny sary sasany hita sy ny kajy politika re aza dia misy ihany koa ny ahiana ho mifanao sinema. Tsy misy rahateo ny zavatra tongatonga ho azy sy kisendrasendra amin'ny politika. Miha avo lenta hatrany izy ankehitriny ka tsy azo raisina fo taitaitra fa mila dinihina lalina mba tsy handiso fanantenana.
Toky R
Henjakenjana ny resaka fanagadrana politika tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, na io aza no isan’ny nanenjehana sy natao fitaovana politika tamin’ny 2009 nentina nanonganana ny Fanjakana Ravalomanana.
Ny 7-9 jona no voalazan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence, fa handehanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina any Frantsa hihaona amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.
Olona manodidina ny 500.000 isa no nidina an-dalam-be ny alahady teo tany Pologne, firenena iray any eoropa atsinanana nanohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana any an-toerana.
Tsy niandry ela fa naverina any am-ponja Rtoa Bezara Eliane Virginie na Ninie Donia 48 ora teo taorian’ny
Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana.