airtel

Politique

07-sept-2023

Toe-draharaha politika

Misy mpanohitra kasaina hosamborina…

Sample post image

Miakatra hatrany ny maripana politika taorian’ny fahatafapetrahan’ny firotsahan-kofidian’ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina omaly.

07-sept-2023

Samy miandry ny rehetra hoe : inona no ho setriny avy amin’ny ankolafin’ny fanoherana, izay efa nisy ny fanambarana samihafa nilaza fa tsy ara-dalàna, ary tsy azo ekena ny mbola hirotsahan’i Andry Rajoelina noho ny fizakany zom-pirenena vahiny. Raha ny loharanom-baovao tsy ofisialy, manomboka atao andrimaso ireo mpanao politika avy amin’ny fanoherana, ka voalaza fa ambenanana mpitandro filaminana mitam-piadiana mahery vaika ny tranon’ny filoha iray teo aloha etsy Tsimbazaza. Voalaza araka ny loharanom-baovao tsy ofisialy hatrany fa misy mikasa hamorona korontana na « trouble » eny Analakely mba hahafahana misambotra ny mpanohitra. Ny manam-pahefana tamin’ny alalan’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Angelo Ravelonarivo sy ny Lehiben’ny Emmo-reg Analamanga Lieutnant-Colonel Raoilijon Tojomalala kosa namoaka «Réquisition particulière » ahafahana manetsika mpitandro filaminana nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso zoma 8 septambra, ka isan’ny natao andrimaso ny Andrim-panjakana tahaka ny HCC noho ny fifaranan’ny fanaterana dosie omaly. Nilaza ny Jeneraly Angelo Ravelonarivo fa misy ny loharanom-baovao mety hisiana fanakorontanana avy amin’ny mpanohitra na ireo mety ho mpanararaotra. Ankilany, misy ihany koa anefa ny ahiahy momba ny fampidirana fitaovana mahery vaika hoenti-miatrika ny mety ho fisiana hetsi-bahoaka mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana, ary misy anarana mpandraharaha vahiny tompona orinasa momba ireny fiambenana ireny aza voatonontonona ao anatin’izany. Ara-politika, ny fomba firesaky ny Filoha ankehitriny, dia efa misora-tena ho mpandresy sahady, izay midika zavatra maro. Heverina fa isan’ny nampisisika ny firotsahan-dRajoelina ny fisian’ireo Filoha teo aloha mirahalahy mianaka dia i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina. Raha hiverenana rahateo ny tantara tamin’ny 2013, dia nilaza I Andry Rajoelina, nilaza ity farany fa tsy maintsy hirotsaka vao havela mirotsaka Rtoa Lalao Ravalomanana, ka tombanana ho tsy dia mifanalavitra amin’izany ity fanapahan-kevitra 2023 ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap