airtel

Politique

06-sept-2023

Toe-draharaha politika sy fiainam-pirenena

Nihaona tamin’ny masoivohon’I Afrika Atsimo I Tahina R.

Sample post image

Nihaona tamin’ny Ambasadaoron’ny firenena Afrikana Tatsimo Atoa Sisa Ngombane teny amin’ny birao fonenany ny Kandidan’ny

06-sept-2023

Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na ny FTT dia Atoa Tahina Razafinjoelina omaly maraina. “Manoloana ny zava-misy ankehitriny momba ny fifidianana dia noresahana ny ahiahy manodidina ny fanomanana sy fikarakarana izay irariana hirindra amin'ny atsakany sy andavany. Ny ahiahy tsy hihavanana ka izay no antony tsy maintsy hizarana izany amin’ny masoivoho avy any ivelany”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Tsapa mantsy, hoy izy, fa misy foana ny fitongilanana sy ny fiangarana amin’ireo kandida, antony mahatonga antsika hangataka ny mba hampitoviana lenta ny rehetra. Hatreto dia mbola miandry izay mety ho tohin’ny fampidirana ny angidim-by eto an-toerana isika, izay inoana fa tsy hatao sakana ny amin’ny tsy hizoran’ny fifidiananana araka ny tokony ho izy, hoy hatrany I Tahina Razafinjoelina. Manana ny fiandrianam-pirenentsika isika, fa mivelatra ihany koa amin’ny sehatra sy ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena eo amin’ny lafiny diplaomasia, politika, toekarena,... Raha vao miresaka Afrika Atsimo izany, dia maro ihany koa ireo sehatra sy fifamatorana eo amintsika sy ity firenena ity. Iray amin’ireo Firenena matanjaka mandrafitra ny BRICS, izany hoe: manana ny tanjany ara-toekarana. Manana ny tantarany ihany koa tamin’ny lafiny fampihavanam-pirenena izay antoka lehibe niteraka ny fahombiazany, izany hoe: azon’I Madagasikara atao fitaratra tsara.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap