mpanara-baovao iray manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny omaly. Tena miditra anaty kapoakantsika ny politika, hoy izy. Ny fanatsaràna ny kalitaon'ny rafi-panabeazana sy fampianarana izay kitro ifaharan'ny hoavin'ny taranaka dia tolotra avy amin'ny fanjakana ary adidiny 100%. Ny kalitaon'ny fitsaboana anivon'ny hopitalim-bahoaka dia miankina tanteraka amin'ny paikadim-panjakana. Rehefa mikarakara marary ianao dia mahatsapa loatra an'izany. Ny famatsiana herinaratra sy angovo dia tena tolotra avy amin'ny fanjakana ary iankinan'ny fiharian-karena an-davanandro mihitsy. Io delestazy mampikaikaika antsika io. Ny fampanànana asa, fanamoràna ny famokarana, fanatsaràna ny fivezivezena sy ny sisa. Andraikitry ny fanjakana izany. Ny fampandriana ny fahalemana, fitandroana ny filaminam-bahoaka. Ain-dehibe eo am-pelantànan'ny fitondram-panjakana izany. Ny vidim-piainana, ny sandam-bola sy ny sisa maro hafa izay tsy ho voatanisako etoana. Miankina amin'ny politikam-pitondrana avokoa izany. Mahagaga ahy ireo olona milaza fa tsy hihinanan-kanina ny politika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny