airtel

Politique

22-août-2023

Politique

Toe-draharaham-pirenena sy fifidianana Ahiana indray ny fampidirana fitaovam-piadiana sy mersenera…

Sample post image

Miverina ary mifoha foana ny ahiahy amin’ny resaka fampidirana fitaovam-piadiana rehefa akaiky ny fifidianana. Toa mampahatsiahy ny tranga tamin’ny 2018,

22-août-2023

izay niteraka resabe ny hoe: efa nampiditra fitaovam-piadiana mialohan’ny fotoana ny kandida Rajoelina? Nisy mihitsy ny fanadihadiana parlemantera teo anivon’ny Antenimierandoholona, saingy niara-nangina tamin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo loholona teo aloha. Notaterin’ny Le JIR (Journal de l’Ile de La Réunion) omaly 21 aogositra 2023 ny fisiana sambo an-dàlana ho aty Madagasikara nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika tahaka ny “lance-roquettes anti-char”, basy PA (Pistolet Automatique) sy bala saingy efa nofafana ny laharana, avy amin’ny firenena akaikin’I Eoropa amin’ny ilany Atsinanana ny 20 novambra 2022, raha ny voalazan’io lahatsoratra io. Nambaran’io gazety io fa fikasana hamono olona akaiky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina no tao ambadika. Natao tao anatin’ny “bulldozer” izay voalaza fa ho an’ny orinasa lehibe mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto, ary voalaza fa kaomandy tamin’ny anaran’ny tompon’andraikitra iray vao nodimandry vao tsy ela, efa nianatra tany Rosia, niasa tamin’ny sehatry ny haino aman-jery sy orinasa misahana harena an-kibon’ny tany. Voalaza fa nisy nifandraisany tamin’ny Lehiben’ny Vondrona Wagner Rosianina io orinasa Malagasy amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany io, ary I Evgueni Prigojine lehiben’ny Wagner no voalaza fa ao ambadiky ny Ferrum mining, izay manana ny foibeny any Saint-Petersurg, niorina tamin’ny 2017, ary tsy manana traikefa amin’ny harena an-kibon’ny tany, saingy afaka nifampiraharaha teto Madagasikara. Nandritra ny fifidianana 2018, nampiasa kandida maromaro ny Rosianina. Voizina ao anatin’io, fa mampiasa kandida, mba hanamora ny fahafahany mitrandraka harena eto ny Wagner. Raha raisina amin’io, dia ny mpitondra ankehitriny no “cible” na kendrena ao anatiny. Tena izay ve no mety hitranga sa sanatria no manao izay tetika rehetra hitazonana ny fahefana? Raha ny avy amin’ny fanoherana ny fitondrana ve no nikotrika an’izany tsy efa voasambotra? Mifamahofaho tanteraka satria andaniny, ny volana febroary 2023 teo no efa nitatitra isika teto amin’ny Tanindrazana momba ny ahiahy hampidirana “commando” vahiny, ary tany anivon’ny mpitandro filaminana aza no isan’ny niaingan’ny resaka. Nivoaka ny ahiahy amin’ny mety hisiana andiana commando ho avy hampiofana mpiambina olona ambony sy hampiofana “Gros bras” amin’io fifidianana io ho avy io. Tafiditra ao anatin’ny mety ho fampiofanana ihany koa ny fitifirana sy fisamborana olona mpanao fihetsiketsehana, fisamborana mpanao politika,… raha ny resaka tamin’izany. Voalaza fa hisy hatramin’ny fampiofanana mikasika ny “anti-emeutes” handravana ny mety ho hetsi-bahoaka, ary ahiana ho tonga hatramin’ny fizarana basy tsirairay, raha ny ahiahy. Ahiana ihany koa ny hisian’ny fampidirana fitaovam-piadiana avo lenta sy fitaovana hoentina miatrika hetsi-bahoaka, toy ny baomba mandatsa-dranomaso tsy zakan’ny maso sy orona ary mety tena hanimba ny taovam-pisefoana,…

Tsy finiavana hampisavorovoro saim-bahoaka na hanely vaovao tsy marina sanatria, tsy miapanga na iza na iza, fa tsy azo hamaivanina ny resaka mivoaka sy ny ahiahy amin’izao ankatoky ny fifidianana izao satria tena resaka fiandrianam-pirenena no resaka eto. Ho zava-doza raha sanatria tafiditry ny asa fanakorontanana eto isika. Nanomboka tany amin’ny faramparan’ny taona 2022, dia nanamafy ny fanaraha-maso antsika ny sampam-pitsikolovana avy amin’ny firenena matanjaka noho ny toe-draharaha hafahafa. Sanatrian’ny vava ve dia tena misy tokoa ny finiavana handatsa-drà sy hamono Malagasy maro noho ny lonilony politika samihafa?
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap