airtel

Politique

19-déc-2022

Politique

Tohana sy fanampiana Mailomailo amin-dRajoelina ny Amerikanina

Sample post image

Ny faran’ny herinandro teo no nilazan’I Andry Rajoelina Filoha ankehitriny, fa tafaverina ho isan’ireo firenena afaka hahazo indray ny fanampiana ara-bola avy amin’ny MCC na Millénium Challenge Corporation-MCC i Madagasikara.

19-déc-2022

Mahatratra hatrany amin’ny 500 tapitrisa dolara moa ny fanohanana mety ho azo amin’ity, ary misy aza ireo firenena Afrikanina mahazo ambony noho izany. Nambaran’I Andry Rajoelina fa niarahaba manokana antsika ny Tale Jeneralin’ity rafitra mamatsy vola ireo firenena mamiratra amin’ny fahaiza-mitantana ara-politika sy manao ny ezaka ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena ity satria tsara dia tsara ireo naoty azon’i Madagasikara taorian’ireo tombana natao, hoy izy. Voalaza fa isan’ireo mason-tsivana tena nahazoantsika isa tsara tamin’izany ary nanan-danja teo imason’izy ireo ny fahaiza-mitantana, ny ady tamin’ny kolikoly,… Raha ny tatitry ny MCC anefa, firenena 7 aty Afrika no hisitraka ny famatsiam-bola avy amin'ny Millenium Challenge Corporation dia I Sénégal, Gambie, Togo, Mozambique, Sierra Leone ary Zambie. I Madagasikara kosa ao anatin’ny hoe: “éligible” na mety ho afaka hisitraka, mbola anatin’ny dingana mety ahafahana miverina mahazo tohana ara-bola indray, saingy mbola arahina fepetra. Isan’ny manindry mafy, ary mitaky fifidianana malalaka, madio, eken’ny rehetra ny Amerikanina. Tahaka izany ihany koa ny resaka Fanjakana tsara tantana, ny demokrasia, ny ady amin’ny kolikoly, kalitaon’ny fandrindran’ny fanjakana ny lafiny toekarena, fahalalahana sivily, fahalalahana miteny sy maneho hevitra, fahalalahana mahazo vaovao,… Hatreto, mbola ratsy toerana I Madagasikara na lazain’ny Fanjakana aza fa efa milamina ireny raha ny naoty azo. Mbola mihantona ny resaka famatsiam-bolan’ny MCC na koa bolongam-bola goavana samihafa ho antsika, izay heverina fa aorian’ny fifidianana 2023 raha toa ka milamina tsara izay vao mandeha ny fifampidinihana sy ny mety ahitana mangirana. Tsara hatrany ny mampahatsiahy hatrany, fa noho ny fanonganam-panjakana sy fakana fahefana tsy tamin’ny fomba demokratika ny taona 2009 no nahatapaka ny fanampian’ny MCA (Millennium Challenge Account) izay niova ho MCC ankehitriny. Toy izany ihany koa no nahatapaka ny fisitrahantsika ny tsenan’ny AGOA.
ARAHI-MASO AKAIKY
Na misy aza ny serasera atao amin’ny Malagasy izay heverina foana mora habadoina sy hambakaina lava, dia tsy mahatoky antsika firy kosa ny vahiny, fa mahita sy manara-maso ny zava-misy eto, toy ny kolikoly goavana, afera maloto, tsy fanajana demokrasia,… Madagasikara ihany koa dia ahiana ho sady toerana ihodinan'ny trafika samihafa no mety anisan'ireo toerana ahiana ho misy ny Wagner Rosianina na koa Vondrona mpampiorohoro. Manara-maso akaiky antsika ny Bekintana, ary vao tsy ela no voalaza fa nandalo teto ary eto ny Sampam-pitsikolovana CIA (Central Intelligence Agency). Tsy ny rafitra no hoe ratsy fa ny mpitondra mihitsy no tsy mahafehy an'ilay fomba fiasa sy ny olona tantanany, hany ka tsy mahavita mampahomby ny politikam-pampandrosoana. Mailo ny olona a !
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap