airtel

Politique

10-oct-2024

Tojo Ravalomanana

« Rehefa sakanana ny dadanay dia mijoro ny zanak’i Dada »

Sample post image

Azo lazaina ho fisehoana politika voalohany ho an’i Tojo Ravalomanana, kandida atolotry ny TIM eto Antananarivo,

10-oct-2024

taorian’ny fisakanana an’i Marc Ravalomanana rainy tsy ho kandida ny omaly. Niatrika ny antsapaka nisarihana ny filaharana ity kandida ity, izay notarihin’i Marc Ravalomanana, ka ity farany no tena nanao ny antsapaka. Taorian’io, nisy ny tafa fohy nataon’izy ireo, ka hetrandretra i Tojo Ravalomanana naneho hoe : « Fahotana ho an’ny marina ny mangina sy ny tsy mijoro manoloana ny ratsy fanahy. Averiko, fahotana ho an’ny marina ny mangina sy ny tsy mijoro manoloana ny ratsy fanahy. Eto Antananarivo no misy antsika. Koa rehefa sakanana ny iray aminay dia tonga arivo mijoro izahay. Ary rehefa sakanana i Dadanay dia mijoro ny zanak’i dada. Koa rehefa sakanana i Marc Ravalomanana dia mijoro i Tojo Ravalomanana. Ny arivo lahy tsy maty indray andro. Koa manao antso avo an'Antananarivo izahay. Ry Arivo Arivo lahy. Ry Arivo Arivo vavy. Mijoroa ary mitenena ; Fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra. », hoy ity kandida ity. Kandida tsy dia nampoizin’ny maro moa i Tojo Ravalomanana ka isan’ny andrasana ny hoe : tahaka ny ahoana ny vina sy hevitra ary fandaharan’asa harosony ho an’Antananarivo ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Mankato ny Kolonely Michael Randrianirina

Card image cap
10-nov-2025

ny fanapahan-kevitra taitaitra

Card image cap
10-nov-2025

fitondrana izao, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
10-nov-2025

Efa nanantitrantitra ary nampiaka-peo

Card image cap
07-nov-2025

andresena ny fitsabahan’ny any ivelany»

Card image cap