airtel

Politique

30-mai-2024

TOLIARA I

Nisy tara ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato

Sample post image

Tara ny fisokafan’ny biraom-pifidianana tao amin’ny distrikan’i Toliara I Omaly Alarobia 29 May

30-mai-2024

nanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka manerana ny Nosy. Raha araka ny vaovao azo mantsy dia tamin’ny 07 ora sy sasany maraiba vao tonga ireo fitaovana handatsaham-bato izay vao nikarakara ireo tompon’andraikitra ka 30 minitra taty aoriana vao afaka niditra ireo mpifidy raha efa tamin’ny 06 ora maraina ny an’ny sasany dia efa nanomboka. Nisy tamin’ireo mpifidy no velon-taraina sy nimenomenona vokatr’izany. Ankoatra ity adidy masina notanterahina ho an’ny firenena ity mantsy dia azo hatao ambanin-javatra ihany koa ireo kazaran’adidy tsy maintsy hiantsorohana ao an-tokantrano isan’andro ankoatra ny asa fitadiavam-bola tsy maintsy hefaina ho an’ny sasany. Tsiahivina moa fa misy birao fandatsaham-bato miisa 139 ao amin’ny distrikan’i Toliara I ka kadinda 36 isa no nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Pati
Legende : Mbola nihidibe tahaka izao ny biraom-pifidianana na dia efa tamin’ny 07 ora sy sasany maraina aza !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap