Izany hoe 50 taona mahery, hoy izy, nahazoana fahaleovantena. Fahantrana mbola farany lalina. Io ilay mariky ny fanjanahantany ataon’ny frantsay eto amintsika izay mbola tsy afaka hatramin’izao. Ampy izay 50 taona izay. Hita rahateo koa ny fahalemen’ny frantsay satria ilay Frantsay natahorantsika teo tsy mahita atao rehefa manoloana ny Rosianina. Mizara 2 lehibe izao izao tontolo izao dia ny tandrefana sy ny mpiaradia amin’ny rosianina sy ny sinoa. Hita izao fa resy ny tandrefana. Ampy izay 50 taona nanaovana tsinontsinona an’izao tontolo izao sy ny afrikanina izay. Tokony hahatsapa ny malagasy hoe aoka izay ny fampiadian’ny zanaka malagasy ataon’ireo merseneran’ny frantsay eto ireo! Gasy samy gasy no ampiadiana dia ny vazaha frantsay sy eoropeanina no mandeha manome lesona eto. Iarahantsika mahita izao ny kolikoly ao amin’ny parlemanta eoropeanina. Any amin’ireo no tena devoly nefa izy tonga eto amintsika manome moraly andeha hanara-maso ny fifidianana. Ny azy tsy hitany. Tsy ekena intsony ny fiatsarambelatsihin’ny eoropeanina. Fanandevozana antsika efa ho 100 taona mahery dia “morale” no entiny eto amintsika. Ampy izay! Tsy vita moramora nefa izany fa ady sy tolona, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby